Nakotroka indray teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly alahady 7 mey. Noraisin’ ny filoham-pirenena sady nahazo mari-boninahitra avokoa ireo atleta rehetra namiratra kanefa tsy mbola nahazo izany. Efa fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana ny hanome fankasitrahana ireo mpanao fanatanjahantena rehetra mitondra avo ny voninahi-pirenena ary nohamafisin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy asiana fanavahana […]
Fanatajahantena
Judo – «Mondial 2023» : hihaona amin’i Aleksandra i Laura
Nivoaka ny sabotsy lasa teo ireo mpifanandrina amin’ ireo atleta malagasy roa, vehivavy, taranja Judo, Rasoanaivo Laura sy Ramiandrasoa Haingo, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Doha Qatar, ny 7 -14 mey. I Samardzic Aleksandra, avy any Bosnia, no hihaona amin’i Laura, eo amin’ny sokajy latsaky ny […]
«Tournoi Inter Medias» : tompondaka ny Ilontsera sy ny Kolo Production
Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana ho an’ny mpanao gazety, «Inter Medias», andiany voalohany. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny Foot à 7, lehilahy, ny orinasa Ilontsera, raha toa ka ny Kolo Production ny an’ny taranja basikety « mixte ». Ny ekipan’ny Ultima Media (ivondronan’ny gazety Taratra […]
Filoha Rajoelina Andry: miantso ny FMF hizara ny valin-kasasaran’ny Barea Chan
Mitsipaka ny fandaminana napetraky ny Federasiona malagasy (FMF), amin’ny fitsinjarana ny «Prize money», azon’ny Barea de Madagascar, tany amin’ny “Chan 2022” ny mpanazatra sy ny mpilalaon’ny Barea. Miantso ny FMF, araka izany, ny filoha Rajoelina Andry hizara izany valin-kasasaran’ny mpilalao izany. Nanao fanambarana niaraka, Andriamanampisoa Alfred filoha lefitra voalohan’ny Federasiona […]
Basikety 3 x 3 : vonona hiatrika lalao ny Ankoay
Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso 7 mey, ny fifanintsanana amin’ny fandraisana anjara ny “FIBA 3 x3 World Cup” ho an’ny sokajy vehivavy, izay atao any Israel. Hihaona amin’ny Ankoay anio ny ekipan’i Republic Czech sy i Aostralia. Efa vonona tanteraka ny Ankoay, vehivavy, tsiahivina fa ny alahady lasa teo izy […]