Hifandona amin’ny lalao ampahavalon-dalana “Playoff 2023”, amin’ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League, ny CFFA sy ny Ajesaia. Hatao amin’ny 2 jolay ny lalao famaranana. Ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Ajesaia Bongolava no hihaona voalohany amin’ny lalao ampahavalon-dalana, mandroso, fifaninanam-pirenena «Playoff 2023 OPL». Hotanterahina ny 13 mey ho avy izao, eny […]
Fanatajahantena
Fanokafana ASIEF Analamanga : minisitera 9 nifaninana VTT sy hazakazaka
Natao ny alahady lasa teo, tetsy Anosy, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga ASIEF, taranja hazakazaka am-bisikileta sy atletisma. Nifaninana ny minisitera 9 tamin’ireo 19. Niara-dalana tamin’izany ny fifaninanana VTT, nahitana minisitera 3 tamin’ireo 4 mpikambana. Hesika nampitondraina ny anarana hoe “Rodoben’ny firaisankina”. Ankoatra ny atletisma, anatiny koa ny fifaninanana ny taranja […]
« Coupe René Ramanitrandrasana » : nanjaka ny klioban’ny Karate Kokaju
Nanjakan’ny klioba Karate Kokaju, Analamanga, ny fiadiana ny amboaran’ny “Coupe Hanshi René Ramanitrandrasana”. Nandrombaka medaly volamena miisa 7 sy alimo 6 ny klioba, nandritra ny fihaonana natao teny Ambatobe, ny sabotsy lasa teo. Notolorana lelavola, 100. 000 Ar, miampy amboara avokoa ireo tompondaka isan-tsokajy. 50.000 Ar ny faharoa. Afa-po ny […]
Tae-kwon-do – «Open Chinjok»: nanjaka ny ligin’ Analamanga
Tontosa ny sabotsy 29 sy ny alahady 30 avrily lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Open”, taranja tae-kwon-do, nokarakarain’ny klioba Chinjok. Fihaonana niarahana niasa tamin’ny ligin’Analamanga. Ady (Kirugi) no natao tao anatin’ny roa andro. Raha teo amin’ny vokatra, nanjaka ireo mpikatroka avy amin’ny ligin’ Analamanga. Lasan’izy ireo avokoa ny fandresena […]
Kitra – «Orange Pro League 2023»: fantatra ireo hiatrika ny «Play-off»
Efa nalain’ireo ekipa valo avokoa ny tapakila hahafahana miatrika ny fifaninanam-pirenena “Playoff, OPL 2023”. Anisan’ireo ekipa nahazo izany farany ny Ajesaia Bongolava, izay avy ao amin’ny kaonferansy avaratra. Efa fantatra avokoa ny ekipa 8 tafita hiatrika ny “Play off” avy amin’ny kaonferansy atsimo sy avaratra, fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Orange […]