Fanatajahantena

«Tournoi des petits champions»: nahazo medaly volafotsy i Précieuse Rakotovao

Notanterahina ny sabotsy 15 avrily lasa teo, teny amin’ ny kianja Car Mandrosoa Ivato, ny fifaninanana tenisy «Tour­noi des petits champions», ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Anisan’ ireo nandray anjara tamin’ity ny ligin’Analamanga sy Atsi­nanana ary ny seksiona Maro­vatana. Anisan’ireo niavaka ny zava-bitan-dRakotovao Ambinimanana Précieuse, […]

Lomano-Mada 2023 : “Nivaly ny ezaka, mbola lavitra anefa ny lalana”, hoy Rabejaona Holy Antsa

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny dobo filomanosana CRJS Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny 50 metatra. Samy nanome ny tsara avy aminy ny mpilomano tsirairay. “Nivaly ny ezaka re­hetra natao, kanefa mbola lavitra ny lalana”, hoy ny nambaran-dRabejaona Holy Antsa. He­rinandro maro ny nanoma­nana […]

Basikety-Mibala Tournament : nafana ny andro voalohany sy faharoa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina, ny fifaninanana basikety ho an’ny Oniveriste “Mibala Tour­nament”, karakarain’ny ISPM (Institut Superieur Polytéchnique de Madagascar). Efa nanomboka ny alahady teo kosa ny lalao ary hitohy hatramin’ny alahady 23 avrily izany. Nafana ny fanom­bohana ary artista kalaza no nanafana ny lanonam-panoka­fana. […]

Muay-Thai – «Mada 2023» : nahazo medaly volamena 10 Atsinanana

Nandrombaka medaly volamena 10 ny atletan’ny faritra Atsinanana, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay-Thai, notanterahina tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 8 sy 9 avrily lasa teo. Raha tsiahivina, mpikatroka 11 no nisolo tena ny faritra ka nahazo volamena avokoa ny 10 raha volafotsy ny iray. Tamin’ny […]

Rugby – « XXL Top 20 » : lavon ‘ny TFA Anatihazo ny XV FA Ampasika

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andoha­ta­penaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby, taona 2023. Lavon’ ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa 23 no ho 16, ny XV FA Ampasika. Raha hi­verenana ny lalao, hita fa manana herijika ny XV FA Ampasika, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany ny nanokafan’izy […]