Fanatajahantena

Faha-60 taonan’ny Maître Gildas: fahombiazana ny «Gildas Fight Night»

Tontosa ny sabotsy 17 aogositra lasa teo, teny amin’ny Henri Fraise Ankoron­drano, ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Maître Razanajatovo Gildas. Lano­nana narahina fifaninanana, nampitondraina ny anarana hoe “Gildas Fight Night”. Afapo ny mpikarakara ary fahombiazana no azo nan­dritra ny hetsika. Tanjona, ankoatra ny fankalazana, ny anomezana lanja ny taranja Muay […]

Fifanintsanana « Can 2025»: hiampy telo ireo mpilalao hanatevina ny Barea de Madagascar

Miisa 26 ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar hiatrika ny fihaonana amin’i Tunisie sy i Comores, eo amin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2025. Tsy ao anaty lisitra i Clement Couturier. Tsy toy ny mahazatra fa tamin’ny alalan’ny fampahafantarana tao anaty tambajotran-tserasera no namoahan-dRakotondrabe Romuald (Rôrô), […]

Judo-Afrika Junior: nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura

Anaram-boninahitra faha-6 norombahin-dRasoanaivo Razafy Laura ny fandresena azony afakomaly, tany Yaoundé Kameronina. Nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior. Vokatra tsara indray no azon’ny atleta malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay natao tany Yaoundé Kameronina, ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hatao ao amin’ny Kianja Côte d’or Maurice, rahampitso, ny lalao mandroso hikatrohan’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Fihaonana savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona ny hiatrika izany. Miandry ny famoahan’ny Me Rôrô, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ny lisitry […]