Fanatajahantena

Judo-Mada 2023: hiakatra kianja, anio, Rasoanaivo Razafy Laura

Nanomboka, omaly, etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo. Mpikatroka 400 manerana ny Nosy no mandray anjara. Anio no hiakatra an-kian­ja ny laharana voalohany eran-tany, eo amin’ny sokajy Junior, latsaky ny 70 kg. Rasoa­naivo Razafy Laura. Ny sokajy Senior no hifaninanany amin’izany, hifanandrinany amin’i […]

Taranja Surf : Malagasy roa hiofana any Dakar

Malagasy roa, mpiangaly ny taranja Surf (taranja lalaovina eny amin’ny onjan-dranomasina), hanaraka fiofanana any Dakar, ny 22 hatramin’ny 29 avrily izao. Taorian’ny fandraisan’i Madagasikara anjara ta­min’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, taranja Surf, hiatrika fiofanana any Dakar indray ny Malagasy. Fiofanana natokana ho an’ny latsaky ny 18 taona, ka solontena […]

« Ligue des Champions »: sarotra ho an’ny Chelsea ny lalao miverina

Lavon’ny Real Madrid espaniola, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Chelsea anglisy, nandritra ny lalao ampahefa- dalana mandroson’ny « Ligue des Champions 2023 » (LDC). Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’ny Santiago Berna­beu. Araka izany, hita fa somary hanahirana an’ny Chelsea ny lalao miverina, izay atao any amin’izy ireo, ny talata 18 […]

« Orange Pro Ligues » : efa misy ekipa efatra tafita amin’ny “Playoff”

Ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, ny Cosfa Analamanga, ny CFFA Andoharanofotsy, ny Elgeco Plus Analamanga no efa tafita amin’ny fifanintsanana “Playoff 2023”, “Orange Pro Ligue” (OPL), taranja baolina kitra, hatramin’izao. Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ireo klioba efatra hanampy azy ireo amin’ity dingana mana­raka ity. Tsiahivina fa […]

Barthes Trophy – U20 : hihaona i Tonizia sy i Madagasikara

Ny ekipam-pirenen’i To­nizia no hifanandrina amin’ny Makis an’i Madagasikara, man­­dritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana “Bathes Trophy 2023”, taranja rugby, sokajy zandriny (U20) lehilahy. Fi­faninanana hotanterahina any Nairobi Kenya, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao. Marihina fa hanomboka amin’ ny 2 ora any Kenya ny lalaon’ ny roa tonta. […]