Fanatajahantena

Tsipy kanetibe: lasan’i Lesakely ny amboara

Norombahin-dRatsimbazafy Hajatiana (Lesakely) ny am­boara tamin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana, taranja tsipy kanetibe, natao tany Romans-sur-Isère, ny alatsinainy lasa teo. Fihaonana nahavory mpandray anjara miisa 300 mahery, manerana an’i Frantsa. Resin’i Lesakely teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 8, i Marzouk. Teo amin’ny “mène”, roa voalohany ihany no nitarika […]

Rugby : Zarasoa, Malagasy milalao ao amin’ny XV de France

Mandalo eto an-tanindrazana i Zarasoa (Zarah), ilay tovovavy malagasy milalao rugby, mandrafitra ny XV de France. Nohararaotina ny fahitana azy, ka nitantarany ny fiainany sy ny fahitany ny baolina lavalava malagasy. Malagasy voalohany mandrafitra ny XV de France, amin’ny taranja rugby, i Macquart Zarasoa (Zarah). Mizaka zom-pirenena roa ny tovovavy […]

SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’ny ekipa malagasy, nahitana an’i Hery Morondava, Sedrick ary i Donald indray ny Supra National Top 1 000, Le Puy en Velay, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana, natao tany France, afakomaly. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny «Tournée Estivale 2024» izao lalao izao. Resin’ny Rosa Club de l’Imerina, tamin’ny isa 18 no ho […]

Handball – sokajy zandriny : nanao pao-droa ny HCEST

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Minimes sy Cadets ary Juniors. Nanao pao-droa ny ekipan’ny HCEST (Handball club espoir sportif de Tuléar). Samy norombahiny avokoa ny teo amin’ny sokajy roa, Minimes sy Cadets. Nandresy ny ekipan’ny Solidaire Boeny ny […]