Fanatajahantena

Chelsea vs Real Madrid : hanala vela ny ekipa anglisy

Hotanterahina, anio, ao amin’ny kianjan’ny Berna­beu, ny lalao ampahefa-dalana mandroso ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligues des Champions 2023” (LDC). Hihaona amin’ny Real Madrid, Espaina ny Chelsea FC, Anglisy. Hanala vela ny ekipa ang­lisy amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Tsiahivina fa izy roa ireo no nihaona tamin’ny lalao […]

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) – Ady totohondry: hanomboka ny volana mey ny fampivondronana

Mandra-piandry ny fampivondronana ataon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, nanapa-kevitra ny filohan’ny Comité d’organisation de boxe malagasy (COBM), Raba­risoa Hery Mamy, fa hanomboka ny 2 ka hatramin’ny 14 mey ny fitiliana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena mala­gasy, taranja ady totohondry. Hatao ao amin’ny ANS Am­pe­filoha izany. Hahatratra 100 ireo mpikatroka hiatrika ity fampivondronana andiany […]

Handball : hanome fiofanana «Education weeks» ny IHF

Ho fampiroboroboana ny taranja handball, manomboka any ifotony ka hatrany amin’ ny ekipam-pirenena, hanome fiofanana ho an’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ity ton­tolom-panatanjahantena iray ity, ny Federasiona iraisam-pirenena (IHF). “Education weeks” ny anaran’izany ka fandrantoana fahalalana mandritra ny herinandro no atao. Hanomboka ny volana mey ho avy izao ka haharitra hatramin’ny […]

Barean’i Madagasikara : nihaona amin’ny Federasiona i Nicolas Dupuis

Hanatanteraka fihaonana amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) i Nicolas Dupuis, mpanazatra. Tsiahivina fa nametra-pialana tsy hitondra ny Barea intsony izy, araka ny fanambarana nataony, ny talata 28 marsa lasa teo. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hihaona amin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, rahampitso alakamisy 13 […]

« Ligues des Champions Europe »: hidona ny Manchester City sy Bayern FC

Hotanterahina anio ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023”. Lalao andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Manchester City, Ang­lisy sy ny Bayern Munchen, Alemà. Hotanterahina ao amin’ny Etihad Stadium ny lalao. Heverina ho toy ny famaranana kely satria samy manana mpilalao sangany izy ireo. Anisan’izany ry […]