Vonona ny Elgeco Plus hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra. Lalao hifanandrinana amin’ ny Club Desportivo Da Lunda Sul. Miisa 28 ireo handrafitra ny delegasiona malagasy, hanafika atsy Angola. Ao anatin’ny tsipika mahitsy farany amin’ny fanomanana ny dingana savaranonando hiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona, ankehitriny, ny Elgeco Plus […]
Fanatajahantena
Andrianarison Jhone Love : “Fahasalamana ho an’ny mpiasam-panjakana ny Asief”
Mpiasam-panjakana miisa 13 000 manerana ny Nosy no tonga ao Antsirabe, nandritra ny fanokafana ofisialy ny fifaninananana nasionaly Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des fonctionnaires), ny sabotsy lasa teo. Tamin’ny alalan’ny diabe niainga teo amin’ny Lalan’ny fahaleovantena nihazo ny kianja mitafo Vatofotsy no nanombohana tamin’ ny fomba ofisialy ity fifaninanana […]
Asief – Karate : fandresena faha-14 ho an’ ny Antenimierampirenena
Fahombiazana tanteraka no azon’ny Antenimierampirenena teo amin’ny taranja karate, nandritra ny fifaninanam-pirenena Asief 2024, natao tany Antsirabe. Nahazo ny laharana voalohany izy ireo ary nandrombaka medaly volamena 17. Efa faha-14 izao no nahazoan’ity Andrimpanjakana ity fandresena hatramin’ izay nisian’ny fifaninanana. Nambaran-dRafalimanana Voahirana, filohan’ny taranja karate eo anivon’ny Antenimierampirenena, fa na […]
DAKA AN-JORONY: Aza raisina raha misy «S»
Raha vao miteny hoe : «S» amin’izao andro iainantsika izao dia vola avy hatrany ny ao an-doha. Saosy no hiantsoana azy io. Tsy ilay tsiro ao anaty vilany akory ny tian-kambara fa drala na vola. Ahoana tokoa no handavana «S» raha misy. Ny «S» mantsy no maha rangahy, hoy ny Ntaolo. […]
Lalao Olympika : nanjakan’i Chine sy i Etazonia ny medaly volamena
Nikatona tamin’ny fomba ofisialy, tao Paris renivohitr’i France, ny andiany faha-33 amin’ny lalao Olympika. Nanjakan’i Chine sy ry zareo Bekintana ny fandrombahana medaly volamena. Nifarana omaly, tao Paris France, ny lalao Olympika. 12 andro no niainan’izao tontolo izao ny fifaninanana tamin’ny taranja ara-panatanjahantena miisa 47. Niady izay ho lohany tamin’izany […]




