Fanatajahantena

Kitra ho an’ny vehivavy: hifanandrina amin’i Mayotte ny Barea

Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny volana aogositra, hanao lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena, taranja baolina kitra ny Barean’i Madagasikara, vehivavy. Ny ekipam-pirenen’i Mayotte no hihaona amintsika. Hotanterahina any Diego, ny 24 avrily hatramin’ny 1 mey ho avy izao ny fifanandrinan’ny roa tonta. Araka ny fanazavan’Andriatsimialona […]

Filaharan’ny Fifa: nivarina ho faha-110 i Madagasikara

Namoaka ny filaharana vaovao amin’ny baolina kitra eran-tany ny federasionina iraisam-pirenena, nilatsaka any amin’ny faha-110 i Madagasikara, raha toa ka faha-102 teo aloha. Nivarina any amin’ny laharana faha-110 i Madagasikara eo anivon’ny Fifa, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ity fikambanana iraisam-pirenena’ny baolina kitra ity, omaly, manana isa 1181, […]

Baolina kitra : vehivavy 40 nahazo fiofanan’ny UEFA

Notanterahina tao amin’ny Novotel Ivandry, ny 3 sy 4 avrily lasa teo, ny fiofanana notarihin’ny “Union Euro­pean Football Associations” (UEFA), ho an’ny vehivavy, izay mitondra ny lohahevitra “Football pour les femmes”. Vehivavy miisa 40 no nahazo torolalana amin’ny resaka fitantanana ara-bola “Mar­keting”, fitarihana na “leadership” sy ny ara-teknika, tamin’ity andiany […]

Kitra : lasa ambasadaoron’ny Telma i Roro

Manomboka izao, ho masoivohon’ny orinasan-tserasera Telma Madagascar, ny mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan”, Rakotondrabe Romuald Felix na i Roro. Hifanome Tanana amin’ny fampiroboroboana ny kitra malagasy ny roa tonta. Tsy diso safidy ny Telma Madagascar, nanendry an-dRakotondrabe Ro­muald Felix (Roro), mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan 2023”, ho ambasadaorony. […]