Hatairana ny an’ny rehetra, omaly, tany Meksika. Nikasi-tanana mpilalao ilay mpitsara lalao baolina kitra meksikanina, Fernando Hernandez. Marihina fa tamin’ny lalao nihaonan’ny América sy ny Club Leon, amin’ny fifaninanana “La Liga MX” no nitranga ny olana. Raha hiverenana ny zava-nitranga, nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Club Leon, […]
Fanatajahantena
Orange Pro League : tafita amin’ny « Play off » koa ny Cosfa
Taorian’ny Fosa Junior Boeny, tafakatra amin’ny dingan’ny “playoff” an’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra, “Orange Pro League” (OPL) ihany koa ny Cosfa Analamanga. Manana isa 23 ny ekipan’ny miaramila amin’izany, ary miray vondrona izy ireo sy ny Fosa Junior Boeny, ao amin’ny kaonferansy avaratra. Vaovao tsara ho an’ny miaramila, hita omaly, […]
Kitra any ivelany : hanala vela amin’ny Barça ny Real Madrid
Hotanterahina anio ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny “Coupe du Roi 2023” Espaniola, taranja baolina kitra. Hihaona amin’ny Barcelone FC ny Real Madrid. Fifanandrinana hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Camp Nou. Hanala vela ny Real Madrid, lavon’ny Barça, tamin’ny isa 1 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso natao tany Santiago […]
Boxe française : hiatrika fiofanana ireo mpitantana amin’ny savate
Ho fanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena, hiditra amin’ny fampiofanana ireo mpitantana eo amin’ny savate sy ny canne de combat, ny federasiona malagasin’ny savate boxe française et disciplines associées (FMSBF/DA). Mizotra araka ny tokony ho izy ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny savate boxe française et disciplines associées (FMSBF/DA). Taorian’ny fahavitan’ny fifaninanam-pirenena, natao tany […]
Mpanao gazetin’ny Viva : nodimandry i Liva
Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara. Nodimandry, omaly tolakandro Andriamananjara Livamalala, mpampahalala vaovao ao amin’ny fahitalavitra Viva. Tampoka ny fahafatesana nahazo an’Itompokolahy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpiara-miasa aminy. Mbola niasa izy ny maraina, no nanambara ho te hatory. Niera ny hody izy ary nisakafo tao anaty tranom-pivarotana […]