Fanatajahantena

Motocyclisme : lany filoha vaovaon’ny FMAM i Jean Gabriel Harison

Taorian’ny fitantanan-dRa­zafimahefa Tsirava, filohan’ny federasiona malagasy Auto-Mo­tocyclisme (FMAM ) teo aloha, nahazo mpitondra vaovao ny FMAM. Voafidy hitantana ny Motocyclisme eto Madagasikara mandritra ny efa-taona manaraka i Jean Gabriel Harison. Lany 100% tamin’ireo filohan’ny ligy roa amin’ny telo nanatrika ny fifidianana notanterahina teny Am­bohidahy, ny sabotsy 1 avrily lasa teo, […]

Orange Pro League: tafita sahady amin’ny « Playoff » ny Fosa Jr

Fosa Junior no ekipa voalohany tafita avy hatrany hiatrika ny “Playoff” amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League”, taranja baolina kitra, taom-pilalaovana 2022-2023. Ma­nana isa 28 ao amin’ny kaonferansy avaratra izy ireo. Lavon-dry Dax sy Jean Yves, mpilalaon’ny Fosa Jr, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC), nandritra […]

Rugby vehivavy – «Challenger series 2023»: Makis 13 mirahavavy manafika atsy Afrika Atsimo

Anisan’ireo firenena 12 hiatrika ny World rugby sevens challenger series, ho an’ny baolina lavalava vehivavy, ny Makis de Madagascar. Hiady izay ho lohany, hiatrehana ny “circuits mondiaux”, izy ireo amin’ity. Nanainga omaly alahady, nihazo an’i Cape Town, Afrika Atsimo ny Makis vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny “World rugby sevens challenger […]

Basikety-Amboaran’i Frantsa : tafakatra famaranana ny ekipan’i Marion Fitia

Mpilalao teratany ma­lagasy, mila ravinahitra ao Fran­tsa, Rasolofoson Marion Fitia. Ao amin’ny ekipan’ny Flam­mes Carolo izy no milalao. Ekipa anisan’ny sangany ao Frantsa ity ekipa misy an’i Marion ity. Miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Frantsa, taranja basikety, i Marion sy ny ekipany amin’izao fotoana izao ary tafakatra famaranana izy ireo. Ny […]

Kitra – Atsimondrano Champions League : Ekipa 78 hiady lelavola 4 tapitrisa Ar

Taorian’ny fahombi­azan’ ny andiany voalohany Atsi­mondrano Champions League (ACL), taranja baolina kitra, hiditra amin’ny faharoa indray ny fifaninanana, karakarain’ny Atsi­mon­drano Action Sport sy ny solombavambahoaka, Ra­tsivahiny Andry. Nam­paha­fantarina omaly zoma, tetsy Mahamasina, izany. Tsy miova ny loka hozaraina fa hitentina 10 tapitrisa Ar ihany. 78 ireo ekipa hiady ny 4 […]