Fanatajahantena

Volley : hohatsaraina ny fahaizan’ny mpanazatra

“Hatsarao ny fahaiza-manao!”, io no lohahevitra amin’ny fiofanana karakarain’ny FIVB (Fédération Internationale de Volley Ball), natokana ho an’ny mpanazatra niveau 1. Anisan’ny hisitraka izany ny mpanazatra eto Madagasikara, ka ny mpampiofana iraisam-pirenena, Razafinjatovo Jean Honoré, no hitarika izany. Hizara ny traikefany izy amin’ny maha mpampiofana iraisam-pirenena azy. Tsiahivin fa efa […]

Judo-Maneran-tany: hifanandrina amin’i Eva Ognivova Rasoanaivo Laura

Rahampitso no hanomboka ny fifaninanana, eo amin’ny sokajy nisy an-dRasoanaivo Razafy Laura, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja judo, sokajy juniors. Efa fantatra ny hifanandrina voalohany amin’i Laura, dia i Eva Ognivova (athlète individuelle neutre), eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 70 kg. Fifaninanana tanterahina any Dushanbe Tadjikistan, nanomboka omaly […]

SOMBIM-BAOVAO

Namoaka fanambarana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, fa hisokatra eo anelanelan’ny 30 septambra hatramin’ny 15 oktobra ho avy izao ny fifindrana mpilalao eto Madagasikara. Marihina fa tsy main­tsy mahazo fankatoavana avy amin’ny klioba nialany ny mpilalao iray vao afaka mifindra. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, […]

Analamanga Taekwon-do ITF: nahatratra 200 mahery ireo niofana

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fampiofanana ireo mpikatroka Taekwon-do ITF miisa 200 mahery. Tanjon’ity hetsika nokarakarain’ny kaomisionina rezionaly Analamanga ity ny hamoaka mpilalao hisolotena ny faritra any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, hatao ny faran’ny volana novambra izao. An­koatra izay, natao hanamafisana ny […]

Marathon – Mada 2024 : hatao ny 10 novambra ho avy izao

Hanakatonan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny taom-pilalaovana 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja marathon. Hampiantrano izany ny ligin’Analamanga, ny 10 novambra ho avy izao. Handray anjara avokoa ireo ligy 14 mandrafitra ny federasiona, Analamanga, Vakinankaratra, Diana, Boeny, Itasy, Bongolava, Ihorombe, Fitovinany, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Anôsy, Matsiatra […]