Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina any Vatomandry, ny 18 hatra­min’ ny 21 avrily ho avy izao, ny hetsika « Dola Beach », izay karakarain’ny orinasa Yas Madagasikara. Hisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena maro any an-toerana. Ao anatin’izany ny rugby beach, ny beach soccer, ny taranja tolona. Hotanterahina ny 15 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao, any Espagne, […]

Handball – Mada Jeunes 2025: Hahemotra amin’ny fialantsasatra lehibe

Nambaran’ny Federasionina malagasin’ny handball, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, fa hahemotra amin’ ny fialantsasatra lehibe ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny. Tsy nanambara ny anton’ity fanemorana ity izy ireo. Raha tsiahivina, tokony hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 27 avrily ho avy izao izany ary ny ligin’i Bongolava no voatondro hampiantrano azy. […]

Manampahaizan’ny Caf : Hitsirika ny bozaka etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina

Nigadona teny Ivato, afakomaly alina, ny manampahaizana amin’ny resaka bozaka, avy amin’ny Caf. Nafaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, manokana. Hiala nenina! Tsy kivy mi­tady vahaolana ho an’ ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FMF, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 14 avrily izao, eny amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo, ho an’ny sokajy kata. Fifaninanana hanasongadinana ireo mpikatroka kata sy hanomezana lanja izany ao anatin’ny fifaninanam-pirenena. Tontosa ny sabotsy 29 marsa lasa teo, teny amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fifaninanana taranja […]

“Pureplay Football League” : Hifampitana anio ny Elgeco Plus sy ny Ajesaia

Hotanterahina anio sy rahampitso, ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny maro, amin’izany, ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus sy ny Ajesaia, izay hotontosaina anio, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus By-pass. Azo heverina ho toy ny famaranana ihany izy ity, raha mandresy […]