Hotontosaina, anio, ao amin’ny Kianjan’ny Atlanta, Etazonia, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany. Hihaona, ami’izany, ny Three Lions Angleterre sy ny Albiceleste Argentine. Hifanandrina mandritra ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, “Mondial 2026”, i Argentine, tompondaka farany sy i Angleterre. Hatao ao amin’ny Kianjan’i Atlanta, Etazonia, ny fihaonan’ny roa […]
Fanatajahantena
Baolina kitra – Klioba Delta United: Hifantina tanora eto Madagasikara
Ho fanampiana sy ho fikarakarana ny tanora malagasy, nantsangana ny klioba fiofanana baolina kitra, Delta United. Nambaran’ny teknisianina, Rasoanaivo Titi na ny Coach Titi, fa natsangana ho an’ireo zandry latsaky ny 16 sy ny 18 ary ny 19 taona izy ity. Hisy ny fifantenana manerana ny faritra eto Madagasikara rehefa […]
Rugby XXL Top 12: Hifampitana indray ny FTM sy ny USA
Nifarana ny alahady teo ny fifanintsanana ady laharana hiakarana amin’ny dingana manaraka, ho an’ny « XXL Top 12 ». Tafita hiatrika izany ny ekipan’ny Cosfa, CEA Andranomanalina, Uscar, FTM Manjakaray, tompondaka farany, USA Ankadifotsy, TFA Anatihazo. Araka ny fanazavana azo omaly, miandry ny manasa-dalana avy hatrany ny Cosfa sy ny CEA. Manao […]
Karate – “Open de Saint Denis” ; Nahazo fanasana i Madagasikara
Taorian’ny fifaninanana iraisam-pirenena natao tetsy Mahamasina, vaovao mahafaly ho an’ny karate-do malagasy, voaasa amin’ny “Open de Saint Denis” i Madagasikara. Fahombiazana ny fifaninanana “Coupe international d’Antananarivo” natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tohin’izay, nahazo fanasana avy amin’ny Renioney i Madagasikara handray anjara amin’ny “Open de Saint Denis”, hatao […]
France vs Espagne : Hisy tompon-toerana tsy hilalao
Hotanterahina, anio, ny manasa-dalana voalohany eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026». Hifanandrina amin’izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Les Bleus France. Vonona ny ekipa roa tonta, saingy samy manana olana eo amin’ireo mpilalaony. Ho fantatra amin’ity talata ity izay ekipa voalohany hiatrika ny famaranana amin’ny […]





