Nafana ny fifaninanana “Absolute” nandritra ny “Grand Open Mada IV”, natao teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Rakotomaria Tsinjo no nahazo ny ” Cash prize”. Tontosa teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, tao amin’ny Petit Palais, ny fifaninanana “Grand Open Mada IV”, taranja Jiujitsu Breziliana. Anisan’ny nampisongadina ity fifaninanana ity, ny […]
Fanatajahantena
Mondial 2026: Norombahin’i Angleterre ny medaly alimo
Nentin’ny Three Lions Angleterre, ny medaly alimo teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2026 ». Resin’izy ireo teo amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo ny Les Bleus France. Fihaonana nisian’ny baolina tafiditra betsaka indrindra. Ny Three Lions Angleterre, no nahazo ny laharana fahatelo ary niambozona ny medaly alimo. […]
Lalao famaranana : Hiady ny amboara ry Messi sy ry Yamal
Ho fantatra rahampitso izay hibata ny amboara volamena amin’ny andiany faha-23 ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Hamarana izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Albiceleste Argentine, tompondaka farany. Hotanterahina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja New-York New Jersey, ny famaranana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina […]
Baolina kitra – D2 Nasionaly : Hiady ny tapakila ny Disciples FC sy ny Toulon
Hotanterahina ao amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, rahampitso, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Hiady ny amboara sy ny medaly volamena, amin’izany, ny ekipan’ny Disciples FC Espoir sy ny Toulon Academy Football. Raha hiverenana kely ny manasa-dalan’izy ireo, lavon’ny Disciples tamin’ny isa 2 no ho 0, […]
CAMS : Nivoaka ny andiany faha-7 “Rohi”
Mpisehatra eo amin’ny fanatanjahantena 17 mianadahy no nahavita ny fiofanana Cams (Cours Avancés en Management du Sport), ka navoaka ofisialy, teny amin’ny Sky Blue Ankadindrarombo, omaly. Andiany faha-7 ity nivoaka ity izay mitondra ny anarana “Rohi”, izay midika hoe fifandraisana (Rafitra-Orina-Hetsika-Ivoniainy). Taranjam-panatanjahantena 17 no nanana solontena tamin’ity fiofanana ity, ka […]





