Hotontosaina ny alahady 6 avrily izao, eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny hetsika “Morengy Iarivo”, andiany voalohany. Hetsika hampisehoana ny maha fanatanjahantena nentim-paharazana ny Morengy izany, araka ny fanazavan’i Thierry Saidani, mpanorina ny Boite Noire, mpikarakara ny hetsika. Ny Boite Noire sy ny Koezy Company no miara-misalahy amin’ny fikarakarana ary […]
Fanatajahantena
Federasionin’ny tenisy : Handray ny “J30 Circuit mondial” i Madagasikara
Hampiantrano lalao iraisam-pirenena, taranja tenisy i Madagasikara amin’ity taona ity. Hotanterahina eto an-toerana ny “J30 Circuit mondial”. Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena goavana ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT), amin’ity taona 2025 ity. Nankatoavin’ny Federasionina iraisam-pirenena (ITF) ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fifaninanana “J30 Circuit mondial”, sokajy Junior, lahy sy vavy. Nahafeno ny fepetra […]
67 City FC sy ny mpanohana : Mitohy ny fiaraha-miasa
Nohavaozina herintaona indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny 67 City FC sy ireo mpanohana azy, dia ny Havana Resort sy ny Nouvelle institution de microfinance (NIM Madagascar). Notanterahina ny alakamisy lasa teo, tetsy Ambohidahy, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny telo tonta. Nanatanteraka izany, Andriantsima Faneva Ima, filohan’ny 67 City FC sy Harizaka […]
SOMBIM-BAOVAO
Any amin’ny ligin’Atsinanana indray no hanohy ny fampivondronana ho an’ny taranja karate do, ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Nizeria, ny volana jolay izao. Mikasa handefa atleta 20 ny federasionina kanefa miankina amin’ny haavo teknikan’ny mpikatroka izany. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Mining Business […]
FMF : Nahazo «quitus» 100% ny mpitantana
Notanterahina tany Ampefy, ny alakamisy lasa teo, ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nomen’ireo ligim-paritra 22 fankatoavana “quitus” zato isan-jato ny mpitantana eo anivon’ity rantsa-mangaika mitantana ny baolina kitra eto Madagasikara ity. Nahafa-po azy ireo ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny tetikasa fampandrosoana ny baolina kitra […]