Fanatajahantena

Tenisy – Billie Jean King Cup :  Tsy tafavoaka teo anatrehan’i Nigeria i Madagasikara

Notontosaina omaly, tatsy Botswana, ny andro fahatelo fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny lalao isan-tarika, taranja tenisy, « Billie Jean King Cup », ho an’ireo firenena afrikanina anaty vondrona fahatelo, sokajy vehivavy. Taorian’ny fahombiazana in­droa nisesy, teo anatrehan’ireo namibianina sy ny borondey, izay nahazoan’ny Mala­gasy fandresena, isa 3 no ho 0, avokoa, dia […]

SOMBIM-BAOVAO

I Zimbaboe sy i Namibia no iray  vondrona amin’i Madagasikara,  amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila amin’ny « Afrobasket U18 »,  hatao ny 22 jolay hatramin’ny 30 jolay izao, any Zimbaboe. Izay ekipa voalohany ao anatin’ny vondrona no hiatrika ny « Afrobasket » hatao any Côte d’Ivoire,  ny 5 hatramin’ny 16 aogositra izao. Hotanterahina ny […]

Muay thai : Nahazo diplaoma roa ny maître Gildas

Fahombiazana tanteraka ny dian’ny maître Razanajatovo Gildas tany Thaïlande. Nandritra ny roa volana izy no nianatra sy niofana tao amin’ny Muay thai Institute Rangsit International ary nahazo ny mari-pahaizana IS2 sy IS3 ho an’ny “instructeur international”. Ady totohondry izay natao tao Pattaya, tao amin’ny Max Muay Stadium, ny sabotsy lasa teo, […]

Amboaran’ny CAF : Ahina tsy hanana solontena i Madagasikara

Klioba roa amin’ireo efatra mbola anaty fifanintsanana “Yas Coupe de Madagasikara” no manana ny “Licence de club Caf”, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao iray. Ahina ho sarotra ny raharaha raha tsy tafita amin’ny famaranana ireo ekipa roa ireo. Hotontosaina ny alarobia 22 jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny lalao manasa-dalan’ny […]

16 TAONA ATY AORIANA : Hamerina ny zava-bitany i Espagne

Tafakatra indray any amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipam-pirenena La Roja Espaniola rehefa tsy nahita izany nandritra ny 16 taona. Hiezaka ny hamerina ny zava-bitany tamin’ny taona 2010 ry zareo. “16 taona aty aoriana !” Izay indray vao tafita hiatrika ny famaranan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, “Mondial”, ny […]