Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, latsaky ny 19 taona, lahy sy vavy, taranja Volley-ball. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ekipan’ny MVBC Boeny, rehefa nandavo ny GNVB Analamanga, tamin’ny seta 3 no ho 1. Azo lazaina ho nahavita […]
Fanatajahantena
« RUGBY AROI 2026 » : Tsy nisy nivoaka teto Madagasikara ny amboara
Norombahin’ny Makis avokoa ny amboara rehetra nandritra ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indiana, « Aroi », sokajy U16, lehilahy sy ny U18, lahy sy vavy. Fahombiazana no azon’ny ekipam-pirenena malagasy Makis nandritra ny fifanintsanana Rugby aty amin’ny ranomasimbe Indiana «Aroi», ho an’olona fito. Hetsika izay natao tetsy Andohatapenaka, ny faran’ny herinandro teo. […]
Judo-Mada 2026 : Hanomanana ny ho tompondakan’i Afrika
Tontosa ny alakamisy sy omaly zoma, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja judo. Nahatratra 368 ny mpandray anjara, avy amin’ny ligy 8. Teo ihany koa ny Diaspora miisa 2. Ho fanomanana sy fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Cadets sy Juniors, hatao any […]
Rugby Aroi : Manjakazaka ny Makis an’i Madagasikara
Tontosa omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’ ny ranomasimbe Indiana, taranja rugby lalaovin’olona 7, sokajy zandriny, U18, vehivavy sy lehilahy ary U16, lehilahy. Fifaninanana karakarain’ny fikambanan’ny rugby aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Aroi) izy ity. Raha ny vokatra ho an’ity fanombohana ity, manjakazaka ny […]
Kianja Barea Mahamasina : Mety hovaina «synthètique» ny bozaka filalaovam-baolina
Hatao artifisialy (synthètique) ny bozaka natoraly ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré. Efa miroso amin’ny fikarakarana izany ny fanjakana, ankehitriny. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, omaly, teny Ambohijatovo, fa manana […]




