Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Mankalaza ny faha-25 taona nijoroany ny klioba mpilalao ny taranja tolona, CSLA na « Club sportif lutte Ambohimanarina. Araka izany, hisy ny fifanintsanana izay ho karakarain’izy ireo, eny amin’ny Epp Anosivavaka, manomboka ny sabotsy 5 oktobra ho avy izao, tsiahivina fa natokana ho an’ireo sokajy zandriny U11 sy U13 izany. Efa […]

Fampivoarana ny fanatanjahantena : «Nihaona ny mpitarika federasiona sy ny minisitra

Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo filohan’ny federasiona, afakomaly, teny amin’ny Palais des sports Maha­masina, ny minisitry ny Fa­natan­jahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Maro ireo filohan’ny federasiona tazana nanatrika ny fotoana. Anisan’izany ny mpitantana ny taranja bisikileta, ny fibatana fonjamby, ny tenisy ambony latabatra, ny badminton, ny Taekwondo, ny volley-ball, […]

tsy niatrika ny cosafa : «Nanomana ny Can ny federasiona »

Hotontosaina any Maputo Mozambique, ny 26 septambra hatramin’ny 5 oktobra, ny fifanintsanana baolina kitra ho an’ny firenena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, «Cosafa Men’s”, sokajy U20, zazalahy. Tsy anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara, raha ny vaovao voaray afakomaly. «Sahirana tamin’ny fikarakarana ny Barea izay miatrika ny fifanintsanana hiadiana ny […]

Rugby – “WXV III” : hanainga ny 17 septambra ho avy izao ny Makis Ladies

Hanomboka ny 27 septambra ho avy izao ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja Rugby, sokajy vehivavy, “WXV III”, izay hatao any Dubai. Anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara. Araka ny vaovao nampitan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Malagasy Rugby, omaly, fantatra fa hanainga eto an-tanindrazana, ho any Kenya, ny 17 septambra ho […]

“Fety de Baskety e!”: Ekipa 110 no andrasana hifaninana

Raikitra ny andiany manokana, amin’ny “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B (Andraisoro tia basket-ball). Fantatra ny daty hanatanterahina ny fifaninanana, izay hatao ny 14 septambra hatramin’ny 25 novambra izao. Ekipa 110 no andrasana, raha toa ka 94 ny tamin’ny taona 2018. Araka izany, tsy ny kianjan’Andraisoro irery […]