Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny andro faha- 11, fifaninanana Orange Pro League ho an’ny kaonferansy atsimo. Lavon’ny CFFA Andoharanofotsy tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Disciples FC Analamanga. Miakatra eo amin’ny laharana faharoa amin’ity vondrona atsimo ity ny CFFA, manana isa 13. Raha hiverenana ny lalao, […]
Fanatajahantena
Tenisy ambony latabatra-Afrika: resin’ny Malagasy ny ekipan’i Kenya sy Ethiopie
Tsara fidirana ny ekipa malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra. Fifaninanana izay tanterahina any Djibouti, nanomboka omaly 9 marsa ary hifarana ny 12 marsa izao. Nandresy avy hatrany ny ekipan’i Kenya ny solontena malagasy, teo amin’ny senior lehilahy, omaly, teo amin’ny […]
Kitra vehivavy : tsy mbola resy ny FC Barcelone
Manjaka tanteraka amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espaina na Liga F ny FC Barcelone (FCB), vehivavy. Araka ny hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, fandresena hatrany no azon’ ny FC Barcelone, nandritra ny lalao 20. Miisa 89 ny baolina tafiditr’izy ireo hatramin’ izao, ary nidirana baolina 4. Eo amin’ny laharana […]
Rugby vehivavy – «Can 2023» : mpifanandrina voalohany amin’ny Makis i Kenya
Araka izay efa nambaran’ ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby, hatao eto Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 “Can 2023”. Hotontosaina ny 18 ka hatramin’ny 29 mey ho avy izao, izany fihaonana izany. Tsiahivina fa firenena efatra no hiady lohany amin’izany dia ny […]
Fifanintsanana “Mondial 3×3”: iray vondrona amin’i Aostralia ny Malagasy
Hotanterahina afaka roa volana any Israel, ny lalao sakana hahazoan’ny Ankoay vehivavy tapakila, hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany basikety 3×3. Ekipa 6 no hifaninana amin’izany ka nozaraina vondrona roa. Ao amin’ny vondrona A miaraka amin’i Repoblika Tchèque sy i Aostralia no vondrona misy an’i Madagasikara. I Israel, i Suisse […]