Fanatajahantena

Karate-Tompondakan’i Afrika: mifanandrina ny COM sy ny minisitera

Samy nampahafantatra ny delegasiona tarihiny avy, hiatrika ny fiadiana ny tomponda­kan’i Afrika any Durban, ny ekipan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Komity Olympika malagasy, omaly. Namaly ny ahiahin’ny mpikatroka sy ny mpankafy ny taranja karate, amin’ny fisian’ny federasiona roa eo anivon’ny fitantanana ny taranja karate, omaly 25 novambra, ny minisiteran’ny Tanora […]

Mondial 2022: mihena ny fifantohan’ny mpianatra ao an-dakilasy

Mitana ny sain’ny maro ny fanarahana ny “Mondial 2022” atao any Qatar. Na lehibe na kely, samy tsy misy manaiky fa miady fo hanaraka ireo lalao mandeha amin’ny fahitalavitra. Efa tsapan’ny mpampianatra sahady ny lesoka sy ny voka-dratsin’ny fiaretan-tory sy fifantohana loatra amin’ity lalao ity ho an’ny mpianatra. Lasa adihevitra […]

Tenisy « Coupe Davis »: Tafakatra amin’ny manasa-dalana ny Italianina

Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana ny Italianina amin’ny fiadinan’ny amboara Davis na ny “Coupe Davis”. Resin’i Fabio Gognini sy Si­mone Bolelli ry Tommy Paul sy Jack Sock tamin’ny seta (6-4, 6-4) amin’ny tenisy an’olon-droa, tany Malaga, omaly. Izy ireo izany no firenena fahatelo tafita hiatrika ny la­lao manasa-dalana taorian’ny Aostralia […]

Judo-Tournoi International: efa tonga omaly ny Renioney

Hanomboka, anio, etsy amin’ny kianja mitafon’An­ko­rondrano ny fifaninanana « Tournoi International de Judo ». Ny fanamarinana ireo delegasiona vahiny avy amin’ny Nosy rahavavy ny ha­nombohana ny fandaharam-potoana ho amin’ny anio. Hitohy amin’ny fihaonan’ny mpitsara sy ny fivoriana ara-teknika ary antsapaka izany avy eo. Hatreto, firenena miisa 2 no nilaza fa hoavy hiatrika […]

Basikety-BAL : tapitra hatreo ny lalan’ny Cospn

Nifarana hatreo ny fandraisana anjaran’ny ekipa ma­lagasy Cospn,amin’ny fifaninanana BAL (Basket ball Africa League). Faharesena intelo nisesy no azony, tamin’ny fifaninanana “Elites 16”, nanomboka ny talata lasa teo, tany Johannesburg Afrika Atsimo. Efa taorian’ny fifandonana nanoloana ny Ferro­viario Da Beira Mozambika, ny alarobia 23 novambra, no fantatra fa tsy isan’ny […]