Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Dojo Rama Antohomadinika, ny seminera niarahana tamin’ny Sensei Séraphin, taranja haiady Jiu-jitsu Breziliana. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho azy ireo nandritra izany. Natomboka tamin’ny fizarana traikefa “GI”, narahan’ny seminera “No-Gi” sy ny “Open Mat” nandraisan’ireo mpizaika tamin’ny seminera anjara. Nofaranana tamin’ny fampiakarana grady […]
Fanatajahantena
Amboaran’ny Caf : Raraka ny Elgeco Plus na nanao ady sahala aza
Nanao ady sahala tany an-tanin’olona ny solontenan’i Madagasikara, Elgeco Plus de Madagascar, tamin’ity fiadiana ny amboaran’ny Caf ity. Nisaraka tsy nisy nitoko, 0 no ho 0, tamin’ ny CD Lunda Sul izy ireo, omaly, nandritra ny lalao miverina. Tsy tafita amin’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf, ny ekipa […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifampindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Fanamby napetraky ny minisitra Abdulah Marson Moustapha ny hanafainganana ny fampandrosoana eo anivon’ny MJS. 50 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny basikety ary 45 taona naha mpanazatra azy, Randrianarivelo Deda. Hisy ny fanamarihana izany eto […]
Basikety-Mada Vétérans: hiditra amin’ny manasa-dalana, anio
Hiditra amin’ny manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety. Fifaninanana tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Raha ny voka-dalao omaly, nandritra ny ampahefa-dalana, nandresy ny La Rénaissance tamin’ny isa 52 no ho 45 ny ekipan’ny As Éclipse, sokajy vehivavy, raha toa ka nahazo ny fandresena nanoloana […]
Rugby – Federal 2: hifampitana ny CEA sy ny 3FAI
Hitohy etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena, rahampitso, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’ny “Federal 2”, taranja rugby. Hanamarika ity andro fahefatra ity ny fifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny 3FAI Ambalavao. Fihaonana hiendrika famaranana kely ary tena andrasan’ny rehetra. Fileovana samy manana ny fahaiza-manaony ny andaniny sy ny ankilany. Anisan’ny ekipa […]





