Fanatajahantena

Volley-CAVBZone 7: tafita amin’ny manasa-dalana ny GNVB vehivavy

Solontena malagasy tokana hiatrika ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, ny GNVB vehivavy. Samy raraka teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa ny Stef’Auto sy ny GNVB lehilahy. Hiatrika ny lalao manasa-dalana, anio, ny ekipan’ny GNVB (Gen­darmerie nationale de Volley ball), sokajy vehivavy, […]

Kitra any ivelany : hanala vela amin’ny Barca ny Real Madrid

Hotanterahina anio ny lalao manasa-dalana mandroso ny fifaninanana “Copa Del Rei” any Espaina. Hihaona amin’ny Barcelone Fc ny Real Madrid Fc. Lalao hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny San­tiago bernabeu. Hanala vela amin’ny fihaonan’ny roa tonta ny Real Madrid. Tsiahi­vina fa resin’ny Barça tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Real, nandritra […]

Volley- CAVBZone 7 : voalohany ao amin’ny vondrona C ny GNVB lehilahy

Misongadina tanteraka ny ekipan’ny GNVB lehilahy, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, tontosaina ao Maorisy. Tafapetraka eo amin’ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona C izy, taorian’ny lalao natrehana omaly. Nahazo fandresena nanoloana ny Quatre bornes Volley ball Maorisy, tamin’ny seta 3 […]

JIOI-MJS-Federasiona : nanao fivoriana ara-teknika

Efa tena tafiditra tanteraka amin’ny fanomanana matotra ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao, ireo rantsa-mangaika rehetra. Niaraka nivory nandinika ny lafiny ara-teknika, ny talata lasa teo, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena sy ny federasiona isan-tsokajiny. Nanatrika ity fivoriana ara-teknika ity teny amin’ny […]