Fantatra, ny talata lasa teo, ny anaran’ireo ekipa 12 tafita hiatrika ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa « World Cola Ligue des Champions 2024 ». Anisan’ireo tafakatra amin’izany ny FC Theo, Zoya FC, AS St Anne, Tia Kitra, FC Jaboady, AS Fos, Jet Kintana, Sphinx Academy, FC 119, […]
Fanatajahantena
Basikety U14-BCEST: efa nampoizina ny vokatra
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy U14 lehilahy, ny klioban’ny BCEst (Basket Ball club espoir sportif de Tuléar). Fifaninanana natao tany Mahajanga, ny herinandro lasa teo. Nambaran’ny filohan’ny klioba, i Vital Serge, fa efa nampoizina iny fandresena iny ary tsy nahagaga. Efa ela niomanana ny ekipa ary tena nampitolagaga […]
Lalao Olympika (JO 2024): hiditra an-tsehatra anio i Sidonie
Andrasan’ny rehetra fatratra amin’ity alarobia ity, ny fidirana an-tsehatr’i Sidonie Fiadanantsoa, eo amin’ny hazakazaka 100 m misy fefy sy ny an-dRandafiarison Rosina eo amin’ny fibatana fonjam-by, lalao Olympika tanterahina any Paris France. Izy mirahavavy ireo izay heverin’ny rehetra fa hahavita dingana lavitra. Hiatrika ny fifaninanana ao amin’ny Stade de France […]
Kianja Barea Mahamasina: mampiofana momba ny fandriam-pahalemana eny an-kianja ny Caf
Anisan’ireo singa iray notakina tamin’ny Kianja Barea Mahamasina ny resaka fandriampahalemana. Manoloana izany, misy ny fampianarana sy fifampizarana traikefa ataon’ny Caf mahakasika izany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Tonga niatrika izany avokoa ny solontena eo anivon’ny […]
Afa Analakely: hiatrika fifaninanana maro
Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra ny ankizy amin’izao fotoana izao. Ho an’ny sekolin’ny baolina kitra, Analakely Football Academy, Afa, maro ny fifaninanana miandry azy ireo. Ho an’ny zazalahy U13, handray anjara amin’ny « Orange Challenge », fifanintsanana izay karakarain’ny Orange sy ny Union des clubs et écoles de Foot (Ucef), any Mahajanga, manomboka […]





