Fanatajahantena

Famaranana “LDC 2024”: 15 tapitrisa Ariary ny vidin’ny tapakila iray

Tonga ny fotoana nandrasan’ny mpankafy baolina kitra. Anio alina ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Cham­pions (LDC) 2024”. Araka ny fikarohana natao, omaly, mahatratra 3 000 euros na 15 tapitrisa Ariary mahery ny vidin’ny tapakila fidirana ambany indrindra amin’ity lalao famaranana ity. Mitentina 35 000 euros na […]

Ping pong-Afrika : Malagasy roa anatin’ny “Top 20”

Nivoaka afakomaly teo ny filaharan’ireo mpilalao 20 tsara indrindra aty Afrika, taranja tenisy ambony latabatra Ping pong. Ho an’ny sokajy lehilahy, nahitana Malagasy mpilalao roa. Eo amin’ny laharana faha-11 no misy an-dRako­toarimanana Fabio raha faha-20 kosa Razafinarivo Antoine. Nijanona eo amin’ny faha-11, araka izany, i Fabio, aty amin’ny kaontinanta Afrikanina […]

Rugby à VII, lehilahy – “CAN 2024” : ao anatin’ny vondrona A i Madagasikara sy Kenya

Hiditra an-tsehatra indray ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), taranja rugby lalaovin’olona 7. Iray vondrona amin’i Kenya i Madagasikara. Hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny 29 jona ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovin’ olona 7, […]

«LDC 2024» : hofantatra rahampitso izay ho tompondakan’i Eoropa

Fito taona aty aoriana! Hifandona indray ny ekipan’ny Real Madrid Espagne sy ny Dortmund FC Allemagne, ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre, rahampitso alina. Lalao famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2024”, ity hatao ity. Mbola manala vela ny ekipan’i Alle­magne. Tsiahivina fa ny taona 2017, resin’ny Real […]

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo mpitsara tafiditra anatin’ny lisitra « Elite A 2024 » izay navoakan’ny Caf ilay Malagasy, vehivavy mpitsara lalao baolina kitra, Hanjavola Dominique Rosa. Hanaraka fiofanana any le Caire renivohitr’i Egypte, ny 9 hatramin’ny 13 jona ho avy izao, ireo izay voasokajy anatin’ity lisitra ity. Notontosaina ny 22 hatramin’ny 26 mey lasa teo, […]