Notanterahina ny farany herinandro lasa teo, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na «6 Nations», taranja rugby. Manjaka tanteraka ny Trèfles Irlandey, izy ireo hatrany no eo amin’ny laharana voalohany, ary manana isa 10. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, hihaona amin’ny ekipa italianina izy ireo, […]
Fanatajahantena
Judo-Tomakazu Iwahori: hitohy ny fifampizarana amin’ny mpikatroka malagasy
Tsara sitrapo japoney, nitondra anjara biriky teo amin’ny tontolon’ny Judo malagasy, nanomboka tamin’ny taona 2022, i Tomakazu Iwahori. Mbola hotohizany amin’ity taona 2023 ny fiaraha-miasa. Anisan’ny angady nananana tamin’ny vokatra tsara nentin’ireo judokas malagasy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena tamin’iny taona 2022 iny, ny traikefa ara-teknika nomen’ny manam-pahaizana Tomakazu Iwahori. Niara-nisalahy tamin’ny […]
Rugby – “6 Nations”: resin’i Irlandy i Frantsa
Taorian’ilay fandresena in-14 nisesy, lavon’ireo Trèfle “Irlandais” ny XV France, ny asabotsy lasa teo, tany Irlandy. Lalao rugby izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na «6 Nations». Resy tamin’ny isa 32 no ho 19 ny ekipa Frantsay tamin’ity fihaonana ity. Nanjakan’ny Trèfle tanteraka ny lalao ary hita fa […]
Rugby: mitaky ny mangarahara ny ekipa « Top 20 »
Miisa 14 ireo ekipa ao amin’ny Top 20, izay mitaky ny taratasy mangarahara na ny “certificat de conformité” an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Araka izany, nangataka ny tsy hanaovana ny fifaninanana Top 20, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity, izy ireo. Araka ny valan-dresaka nataon’ireo ekipa 16 tonga teny Antanimena, ny omaly. […]
Lomano-Analamanga : nanokatra ny taona 2023
Nisokatra ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha, ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Fifaninanana teo amin’ny sokajy « Jeunes » ny nanombohana izany, izay nivondronan’ireo seksiona sy klioba mandrafitra ny ligin’ Analamanga. Mbola ho avy ny fifaninanana natokana ho an’ny sokajy hafa, fa fanombohana ity, […]