Tsy matoritory intsony ireo Nosy rahavavy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy, hotontosaina afaka enim-bolana eto Madagasikara fa tena efa anaty fanomanana tanteraka. Nigadona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny ekipan’i Mayotte, taranja basikety. Hitsapa ny Cospn sy ny GNBC ny anton-dian’izy ireo, araka ny fantatra ka hiatrika lalao maromaro ho fanomanana […]
Fanatajahantena
Ping pong-Afrika: valo mianadahy ho any Djibouti
Hotanterahina any Djibouti, ny 9 hatramin’ny 12 marsa, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra. Manana solontena valo mianadahy hiatrika izany isika. Tanjona fohy ezaka tratrarina miaraka amin’ireto mpilalao ireto ny fandrombahana ny anaram-boninahitra ho tompondakan’i Afrika Atsinanana. Io no hahafahana mandray anjara […]
Chan Algérie 2022: hiady medaly alimo ny Barean’i Madagasikara
Mbola manana fanantenana fa tsy mody tanam-polo ny Barea amin’ity fifaninanana “Chan Algérie 2022” ity. Hifanandrina amin’i Niger haka ny medaly alimo ry zalahy, anio, any Oran. Hotanterahina anio ny lalao fiadiana ny medaly alimo, laharana fahatelo, amin’ny fifaninanana “Chan Algérie 2022” taranja baolina kitra. Hikatroka amin’izany ny Barean’i Madagasikara […]
Basikety-Nasionaly : misy fifaninanana isam-bolana
Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety, ho an’ny fifaninanana eto an-toerana, amin’ity taona 2023 ity. Tsy hisy fiatoana fa hisy hatrany ny lalao isam-bolana, manomboka amin’ity volana febroary ity hatramin’ny volana novambra 2023, mialohan’ny hiatrehana ny fivoriambe ny volana desambra 2023. Ankoatra ireo fifaninanam-pirenena tsy maintsy tontosaina […]
« Inspecteurs de la Jeunesse et des Sport » : Ramaroson Toavinirina no filoha vaovaon’ny sendika
Notanterahana, omaly, tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny lanonana fifamindram-pitantanana, teo amin’ireo filohan’ny syndicat des inspecteurs de la Jeunesse et des Sports teo aloha sy ny vaovao. Nambaran’i Léandre Charles, izay nitantana teo aloha, fa mafy ny ady natrehana nandritra izany, saingy ho tombontsoan’ny mpikambana namana no nijoroana sy niadiana. […]