Hotanterahina any Budapest, Hongrie, ny 10 hatramin’ny 23 septambra izao, ny andiany faha-45 amin’ny “Olympiades d’Echecs”. Handray anjara amin’izany i Madagasikara. Atleta malagasy 9 mianadahy (5 lahy sy 4 vavy) no hihazo an’i Budapest hiatrika ny «Olympiades d’Echecs», mandritra ny tapa-bolana. Avy eto an-toerana avokoa ny 8 amin’izy ireo, raha […]
Fanatajahantena
Sombim-baovao
Anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny fifaninanana “Africa 3×3 Cup”, taranja basikety, hotanterahina eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ny ekipa malagasy, lahy sy vavy. Fifaninanana hatao any amin’ny volana novambra , araka ny fandaharam-potoanan’ny Fiba Afrika. Ho fantatra tsy ho ela kosa izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Nitohy tany amin’ny faritra ny […]
Padel – « Island Cup »: Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy, lehilahy
Notontosaina afakomaly, teny amin’ny Soavina Atmosphere, ny lalao famaranana, fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, taranja tenisy anaty efitrano, lahy sy vavy. Norombahin’ireo Malagasy, lehilahy, mpilalao ny amboara tamin’izany, raha nifanandrina tamin’ny ekipa voafantina avy any La Réunion izy ireo. Nionona tamin’ny laharana faharoa kosa ny vehivavy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i […]
Baolina kitra – « Can 2025 » : ho toy ny famaranana kely ny an’ny Barea sy ny ekipan’i Comores
Hifantoka amin’ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Coelacanthes Comores indray ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio. Ho toy ny famaranana kely mialoha ny fotoana ny fihaon’ny roa tonta. Hamaritra ny toerana hisy ny Barea koa izany. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianja Hamadi Aguerbi Stadium, ao Rades Tunisie, ny andro […]
Rugby – “XXL top 12” : hanohitra ny FTM ny TFMA
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’izany, ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA Ankasina. Mbola manala vela amin’ity fifanandrinana ity ny mpilalaon’Ankasina, boay kely manohitra. Tsiahivina fa ny […]