Hotontosaina, ny volana avrily ny fihaonana miverina eo amin’ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC Vakinankaratra, raha tsy misy ny fiovana. Marihina fa ity fifanandrinana ity dia tafiditra anatin’ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra «Pureplay Football League (PFL)». Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra […]
Fanatajahantena
Barean’i Madagasikara : Efa any Turquie ny ankamaroan’ny mpilaravinahitra
Araka ny fikarohana natao omaly, efa any Antalya Turquie, ny akamaroan’ ny mpilaravinahitra ao amin’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Anisan’izany ry Clement Couturier, Sandro Tremoulet, Ehsan Khari, Thomas Fontaine, Johan N’Zi, Morgan Jean Pierre, Bryan Adinani, Tommy Iva. Nigadona omaly, niaraka tamin’ny mpilalao koa i Corentin Martins, mpanazatra ny ekipam-pirenena. Raha […]
Taranja Karate: Hisy ny fanatsarana amin’ny lafiny maro
Nahitana lesoka ny lafiny fanazarana sy fitsarana ary fitantanana nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy, farany teo, araka ny tatitra nataon’ny eo anivon’ny Federasiona karate-do malagasy. Hisy ny fanatsarana hatao. Ny “cadres” na ny lafiny fanazarana sy fitsarana ary fitantanana no andry iray mampandroso ny fanatanjahantena […]
Mpanao gazety ara-panatanjahantena : Namboly hazo tany Ambohimanjaka
Tsy nijanona tamin’ny fanatanjahantena irery ny hetsika ataon’ny Union des journalistes sportifs de Madagascar (UJSM) fa nivelatra tamin’ny fanaovana adidy ho an’ny tanindrazana dia ny fambolen-kazo. Nanatanteraka izany izy ireo ny sabotsy lasa teo. Taorian’ny fanatontosana ny «Media cup pétanque», niroso tamin’ny fambolen-kazo indray ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto […]
Baolina kitra – PFL : Manamafy ny toerany ny Disciples Fc
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahasivy sy fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Ho an’ny kaonferansy Atsimo, mbola mitana ny lohany sy manamafy ny toerany, ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 2, ny As Ste Anne, […]




