Fanatajahantena

Fiaraha-miasan’ny MJS – Unicef : tanora malagasy dimy ho any New York

Nanao tohivakana, omaly, ny fitsidihana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Mousta­pha, teny Ambohijatovo. Ani­san’ny nanatanteraka izany ny teo anivon’ny Unicef, izay nampiseho ny fahavonany hanohana ny tanora malagasy. Hisy ny “Sommet de l’avenir” hatao any New York, manomboka ny 18 septambra izao, ka Malagasy 5 hiatrika […]

« Island Padel Cup »: hiaona La Réunion sy i Madagasikara

Hotanterahina anio, eny Soavina, ny andro fahatelon’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, taranja tenisy anaty efitrano. Hiady izay ho laharana voalohany amin’ity lalao hazoana filaharana ity, i Madagasikara sy ny nosy rahavavy, La Réunion. Marihina fa ireto firenena roa ireto ihany no hiatrika ny famaranana amin’ny 7 septambra ho avy […]

Barea de Madagasikara: nomena mialoha ny fihaonana ny «Prime de présence»

Notontosaina omaly, tany Tunisie, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025”. Nitafa tamin’ireo mpilalao Barea ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Mialoha ny fifanandrinan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sy ny Aigle de Cartage Tunisie, omaly, tany Tunisie, tonga nampahery ny Mala­gasy mpilalao ny […]

Rugby – Top 12 Mada : hanohitra ny FTM ry Boaikely

Hiditra amin’ny andro fahadimy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ny alahady 8 septambra ho avy izao. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Raha ara-taratasy aloha, manantombo […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina, omaly, ny fivoriana ara- teknika ho an’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy U21, taranja karaté, tanterahina any Tunisie. Tsiahivina fa mpikatroka malagasy efatra mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. Marihina fa anio no hanomboka ny lalao any an- toerana. Mankalaza ny faha-25 taonany, ny CSLA (Club […]