Tafita any amin’ny ampahefa-dalan’ny « Ligue des Champions 2026 », taranja baolina kitra, ny Real Madrid FC, Espagne. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny klioba anglisy, Manchester City. Tafiditra anatin’ny lalao miverin’ny LDC, izay natao tao amin’ny Etihad Stadium. Tsy afa-bela aminn’y Real Madrid mihitsy, araka izany, […]
Fanatajahantena
Rugby – “XXL Top 12”: Miato aloha ny fifaninanana
Taorian’ny fahavitan’ny andro fahafito amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, XXL Top 12, taranja rugby dia hiato ny fifaninanana. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Malagasy Rugby fa hotohizana amin’ny fanatontosana ny dingana ampahavalon-dalana, ho an’ny “federal 2”, izany. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny alahady 22 marsa ho avy izao. Anisan’ny […]
Baolina kitra afrikanina : Nesorin’ny Caf tamin’i Senegal ny amboaran’ny Can
Nandray fanapahan-kevitra hentitra ny Caf afakomaly. Nalaina tamin’ny Lion de la Teranga ny fandresena azony tamin’ny “Can 2025” farany. Lasan’i Maroc indray izany ny amboara. Taorian’izay, hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana avo ny fanatanjahantena TAS ny Federasionin’i Senegal. Nanaitra ny mpankafy ny vaovao niparitaka afakomaly sy omaly. Nambaran’ny Kaonfederasionina […]
Media Cup Pétanque: Fahombiazana ny andiany voalohany
Notanterahina teny amin’ny Kianja CAI Ambodin’Isotry, ny sabotsy lasa teo, ny andiany voalohany amin’ny “Media Cup”. Fifaninanana, nokarakarain’ny Union des journalistes sportifs (UJSM). Nisantarana izany ny tsipy kanetibe ho an’olon-droa miaraka. Fahombiazana tamin’ny lafiny rehetra ny hetsika, araka ny nambaran-dRabenaivo Alain Paul, filohany. “Na vao santatra aza, nahatratra 21 ny […]
Lalao ara-pirahalahiana-FIFA : Telo ny mpilalao avy eto an-toerana handrafitra ny Barea
Raha tsy misy ny fiovana farany, hivoaka anio ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao, telo ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra. Andrasana anio ny fivoahan’ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana (fenêtre Fifa), amin’ity volana […]




