Fanatajahantena

Basikety- Champions Cup R: Resin’i Australie i Madagasikara

Faharesena no nisantaran’ny Ankoay, lehilahy, ny fandraisany anjara amin’ny fifaninanana “Fiba 3X3 Champions Cup”, taranja basikety lalaovin’olona 3, tanterahina any Bangkok, Thaïlande. Omaly no niakatra an-kianja voalohany ny Ankoay lahy, nifanehatra tamin’i Austra­lie teo amin’ny lalao voalohany. Resy ta­min’ny isa 21 no ho 17 ry Elly sy ny namany nandritra […]

“PFL” – As Ste Anne sy CFFA : Hifandona ny samy Atsimondrano

Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro fahavalo sy fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Pureplay Foot­ball League (PFL)”. Ani­san’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ny alahady ho avy izao, etsy Iavoloha, ny fihaonan’ireo samy Atsimondrano: As Ste Anne sy ny CFFA Andoharanofotsy. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa […]

Tsipy kanetibe - “Grand open de Mada” : Hotolorana 2 tapitrisa Ar izay voalohany

Hanomboka ny taom-pilalaovana ny Fédération sport-boule de Madagascar (FSBM). Fifaninanana misokatra ho an’ny rehetra no hisantarana izany. Handray anjara amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra. Hahazo lelavola izay laharana voalohany. Hotontosaina eny amin’ny Kianja Soaman­dra­kizay, Androhibe, ra­hampitso sabotsy 14 sy ny alahady 15 marsa ho avy izao, ny fanombohana ny taom-pilalaovana […]

Basikety 3×3 – “Champion’s Cup” : Hiakatra an-kianja, anio, ny Ankoay

Anio no hiakatra an-kianja ny ekipa malagasy Ankoay, ao anatin’ny fifaninanana “Fiba 3×3 Champion’s Cup”, taranja basikety, izay hatao any Bangkok Thaïlande. Ny An­koay lehilahy no hisantatra izany, anio, amin’ny 2 ora sy 5 minitra, ka ny ekipan’i Australie no hifanandrina voalohany amin-dry Elly, Livio, Arnol ary i Anthony. Aorian’­ […]

Trail d’Ibity andiany faha-10 : Hanangonam-bola ho an’ireo ankizy sahirana

Hotanterahina any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, ao Ibity, ny 19 avrily ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka mi­tety vohitra sy natiora, “Trail d’Ibity” andiany fahafolo. Toy ny tamin’ny taona lasa ihany, natao hanangonam-bola ho­mena ireo ankizy sahirana ara-tsakafo ny hetsika. Araka ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra, mpandray anjara 1 500 eo […]