Resin’i Sénégal 4 no ho 2 i Brésil Taorian’ny nandresen’ny Lion indomptable Cameroun ny Seleçao Brésil, nandritra ny “Mondial Qatar 2022”, dia tsy nandresy ekipa afrikanina mihitsy ny Seleçao. Lavon’ny Lion de Teranga, Sénégal tamin’ny isa 4 no ho 2 izy ireo, ny talata lasa teo, tao amin’ny kianjan’i José […]
Fanatajahantena
Kitra – Fifidianana federaly : miantso ny klioba tsy handatsa-bato i Faneva Ima
Hiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny fifidianana ny tontolon’ny kitra eto Madagasikara. Hisantatra izany ny seksiona miisa 101 manerana ny Nosy. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 1 sy 2 jolay ho avy izao izany. Manoloana io, nanao antso avo amin’ireo klioba rehetra tao amin’ny tambajotran-tseraserany, efa ho roa herinandro […]
Lalaon’ny Francophonie : haterina anio ny lisitry ny Barea U20
Tapitra anio ny fetr’andro nomen’ny komity misahana ny lalaon’ny “Francophonie”, hatao any RD Congo, ny 28 jolay -6 aogositra ho avy izao. Araka izany, voatery aterina anio ny lisitr’ireo mpilalao 20 mirahalahy mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar U20, hifaninana amin’ny taranja baolina kitra. Miisa 16 ireo zandrikely avy eto […]
Basikety : hilalao ao amin’ny ALM Evreux i Sitraka
Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety malagasy mila ravinahitra any ivelany. Araka ny vaovao, hanohy ny filalaovana basikety ao amin’ny klioba ALM Evreux Basket-ball, Raharimanantoanina Sitraka. Ho an’ny taom-pilalaovana 2023-2024 ny fifanarahana hilalaovany ao amin’ity klioba azo lazaina ho manana ny maha izy azy ity. Klioba Pro B ao Frantsa […]
Lalao Afrikanina amin’ny torapasika 2023 : mijanona fa tsy manam-bola ny Beach Soccer
Fahafaham-baraka ny an’ny Barea beach soccer, izay tsy hiatrika ny lalao afrikanina amin’ny torapasika 2023. Noho ny tsy fahampiana eo amin’ny hoenti-manana, tsy afaka ny handray anjara ny Malagasy. Nambaran’Ambinintsoa Harivelo, filohan’ ny delegasiona malagasy, tetsy amin’ny foibe toeran’ny Komity olympika malagasy (KOM), omaly, fa tsy anisan’ireo ekipa handray anjara […]





