Fanatajahantena

Orange Pro League : mitarika ny Fosa Jr sy ny Mama FC

Mitohy hatrany ny fifaninanam-pirenena « Orange Pro Leeague ». Hatreto, mitarika ao amin’ny vondrona misy azy ireo ekipa goa­vana. Taorian’ny andro faha-11 amin’ny « Orange Pro League » (OPL), taranja baolina kitra, mitana ny laharana voalohany amin’ ny vondrona misy azy avy ireo ekipa roa vaventy eto Madagasikara. Ny Fosa Junior Boeny ao amin’ny […]

Kitra frantsay : mety hijanona ao amin’ny PSG i Messi

Araka ny vaovao navoa­kan’ny Espaniola, omaly, mety hitohy hatramin’ny taona 2024 ny fifanarahana eo amin’ilay mpanjakan’ny baolina kitra arzantinina, Lionel Messi sy ny klioba frantsay Paris Saint Germain (PSG). Marihina fa tapitra amin’ny volana jona 2023 ny fiombonan’ny roa tonta. Tsiahivina fa tonga tao amin’ny PSG tamin’ ny volana aogositra […]

Judo-Fifaninanam-pirenena : hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly

Hotontosaina ny 14 hatramin’ny 16 avrily ho avy izao, ao amin’ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo. Hitiliana ireo mpikatroka mendrika handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Cadets sy Juniors, ity fifaninanam-pirenena ity. Ara­ka ny efa fantatra, eto […]

Rugby – “World Cup 2023” : maratra i Reece, mpilalaon’ny All Blacks

Tsy afaka hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Cup 2023”, ta­ranja rugby, hatao any Fran­tsa, ny 8 septambra – 28 oktobra ho avy izao i Sevu Reece, mpilalao Néo-Zélandais. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, maratra eo amin’ny lohaliny na “rupture des ligaments croisés” ity “Trois-quarts […]

Muay Thai : hatao ny 8 sy 9 avrily izao ny fifaninanana nasionaly

Hotontosaina ny 8 sy 9 avrily izao ao amin’ny La­pan’ny fanatanjahantena Ma­ha­masina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja Muay Thai. Fifani­na­nana hitiliana izay hisolo tena ny Malagasy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena mety handraisan’i Madaga­siakra anjara, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona ma­lagasin’ny Muay Thai, Rako­toalizao Haina Tiana Gervais. Hisy mantsy, hoy izy, […]