Afaka ny tahotra sy ny tebitebin’ny mpilalao tsipy kanetibe malagasy. Nofoanan’ny federasiona iraisam-pirenena (FIJP), ny sazy nomena an’i Madagasikara. Ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fivoriambe nataon’ny federasiona malagasy (FSBM), natao tao amin’ny ANS Ampefiloha, nanambaran’Andrialemirovason Amiroudine, filohany fa nandefa taratasy manafaka izany, ity rafitra misahana ny tsipy kanetibe maneran-tany […]
Fanatajahantena
Judo – “Open d’Alger” : nandrombaka medaly volamena sy alimo iray i Laura Rasoanaivo
Manohy ny famirampiratany amin’ny taranja Judo Rasoanaivo Laura, judokas malagasy. Nahazo medaly volamena sy alimo ny tenany nandritra ny fifaninanana “Open d’Alger”. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an-dRasoanaivo Laura, judokas malagasy, eo amin’ny taranja Judo. Taorian’ny nandrombahany medaly volamena roa tany amin’ny Open de Tunis, herinandro monja aty aoriana, mbola […]
Rugby – XXL Top 20 : adin’ny samy boaty ny lalaon’ny 3FB sy ny Savony
Hitohy rahampitso alahady, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny 3FB sy ny STM (Savony). Fifanandrinan’ny samy boaty, ity. Raha ara-taratasy aloha manantombo ny 3FB ary hanala vela ny Savony. Eo ihany koa […]
Volley-JIOI 2023 : hanampy ny ekipa malagasy i Melissa sy i Ricco ary i Ghislai
Fantatra ireo mpilalao hiatrika ny fampivondronana, hiomana amin’ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara, ho an’ny taranja Volley-ball. Mpilalao 20 lahy sy 20 vavy no hifantenana izay handrafitra ny ekipa nasionaly, ho an’ny volley anaty efitrano. 11 hahy sy 8 vavy kosa ho an’ny Beach Volley. Araka ny hita ao anatin’ny […]
Barean’i Madagasikara: hiala tsy ho mpanazatra Atoa Nicolas Dupuis
Mazava ny resaka! Misaraka ny lalan’ny ekipam-pirenena malagasy sy Atoa Nicolas Dupuis. Nanapa-kevitra ny tsy hanavao intsony ny fifanarahana ny tenany raha vao migadona ny volana septambra. Nanambara tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly zoma i Nicolas Dupuis fa tsy hanavao ny fifanarahana amin’ny hanazarana ny Barea de Madagascar intsony, ny tenany. […]




