Toy ny fanao isan-taona, notanterahina ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny farihin’ Anosy, ny “Atletisma ho an’ny rehetra”. Hetsika nokarakarain’ny federasiona malagasy (FMA). Fahombiazana satria 740 mianadahy mianaka, ankizy mpianatra avy amin’ny sekoly miisa 12 sy olon-tsotra ary atleta, no nandray anjara. Notsiahivin-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona fa hanentanana ny olona […]
Fanatajahantena
Kung-fu 43 taona: nitohy tany Vakinankaratra ny fankalazana
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-43 taona nidiran’ny kung-fu voalohany teto Madagasikara amin’izao ny federasiona malagasin’ny kung fu Wisa (FMKFW). Mitohy ny fitetezam-paritra ho fanamarihana izany, ka ny Grand Maître Avoko sy ny delegasion’ny FMKFW no mitarika izany. Natao ny zoma teo ny fihaonana tamin’ireo mpikatroka kung-fu ao Ambatolampy, Antanifotsy ary […]
Rugby: “Ara-dalàna ny fitsanganan’ny federasiona malagasy”, hoy ny Rugby Afrique
Heni-kaja, heni-boninahitra i Madagasikara mampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’ny vehivavy. Tsy mitsanga-menatra ny taranjan’Ambalambahoaka fa notronin’ireo oloben’ny firenena sy ny avy any ivelany. Niarahan’ny rehetra nahita, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka fa tonga nanome voninahitra ny Malagasy Rugby, tamin’ny fampiantranoana […]
Kitra any Espaina : manohana an’i Vinicius ny Fifa
Nanatevin-daharana ireo mpanohana an’i Vinicius, ilay Brezilianina, mpilalao Real Madrid Espaina, i Gianni Infantino, filohan’ny Federasiona maneran-tanin’ny baolina kitra Fifa. Tsiahivina fa ny alahady lasa teo, nataon’ny vahoaka tao Mestalla ho toy ny rajako ity mpilalaon’ny Real Madrid ity. “Tsy voalohany, na faharoa, na fahatelo. Lasa mahazo vahana ny fanavakavaham-bolonkoditra […]
Kitra any Algerie : nahafaty baolina i Rakool
Ela no niandrasan’ny rehetra azy fa izay vao tonga. Nahafaty ny baolina voalohany ho azy Rakool, tao amin’ ny Mouloudia Alger. Ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Nelson Mandela, tao Alger, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana nikatrohan’ ny ekipany sy i Sahara andrefana, tafiditra ao anatin’ ny fankalazana ny faha-50 […]





