Fanatajahantena

MMA-WFA Championship : nandresy an’i Mohamed i Tojo Heriniriana

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny Malagasy mpikatroka amin’ny taranja MMA (Martial Mixed Arts)/ i Tojo Heriniriana. Miatrika fifaninanana matihanina any Shanghai Chine, izy, nanomboka tamin’iny volana septambra iny, izay nisafidy mano­kana ny hifantoka amin’ny taranja MMA. Nahazo fandresena indray izy, omaly, tao anatin’ny fifaninanana “Main évent”, izay tafiditra anatin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny ekipa malagasy, taranja ping-pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Fifaninanana natao tany Addis-Abeba Ethiopie, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Nigeria ny Malagasy. Samy resy tamin’ny seta 3 no ho 0 avokoa Andriantahina Tina sy Raharima­nana Hanitra ary Jaoferson Fara. Laharana faha-6 tamin’ireo […]

Fanamoriana fiarakodia : tompondaka i Faniry sy i Mahents

Norombahin-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambolo­lona Mahenintsoa (Mahents), mpanamorin’ny klioba TFM sy Asacm, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany faha-45 amin’ny “Grand Rallye international de Madagascar”. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara notanterahina teto Antananarivo sy ny manodinana, ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra lasa teo, nokaraka­rain’ny ASA […]

Baolina kitra, vehivavy-« Cosafa 2024 » :haka mpilalao mpilaravinahitra ny federasiona

Nambaran-dRandria­manam­pisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baol­ina kitra (FMF), omaly, tany Maroc, fa handray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina “Cosafa”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, i Mada­gasikara. Nilaza izy fa hiavaka kely ny amin’ity, hanafatra mpilalao mpilaravinahitra any ivelany ny federasiona mba hanamafy ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha ny filazany, maro […]