Paikady sy ekipa ary fanamby no entina hiatrika ny taom-pilalaovana 2022-2023. “Efa ela niomanana ny Dato FC, ary tanjona ny ho tonga any amin’ny farany” hoy i Landison Edmond, mpanazatra mpanampin’ny Dato FC. Izy ireo izay nanatanteraka fanazaran-tena teny amin’ny kianja Elgeco Plus By pass, ny alakamisy 1 desambra 2022. […]
Fanatajahantena
Karate -Tompondaka an’i Afrika : noraisin’ny WKF sy ny UFAK ny federasiona malagasy
Araka ny loharanom-baovao, nihaona tamin’ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF), i Chérif Béchir sy ny filohan’ny UFAK (Union des Fédérations Africaines de Karate), i Mohammed Tahar Meshbahi, ny federasiona ny Karatedo malagasy, tarihin’ny Sensei Emile, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, hatao any Durban. Araka ny fanazavan’ny FKM, […]
Kitra-CHAN 2022: hanao lalao ara-pirahalahiana 4 ny Barea
Nivoaka omaly ny lisitr’ireo mpilalao 36 hisafidianana izay hiatrika ny Chan 2022 any Alzeria. Hiatrika lalao ara-pirahalahiana 4 ny Barea, mialoha ny fifaninanana. Ny seleksiona renioney hahitana mpilalao malagasy sy renioney no hifanandrina voalohany amin’ny Barea, amin’ireo lalao ara-pirahalahiana efatra kasaina hatao, araka ny nampahafantarin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, […]
Seho an-tsehatra: hitondra ny mozikany i Rim-Ka
Vao maheno hoe, Rim-Ka, mby ao an-tsain’ny rehetra ilay hirany « Very jery ». Anisan’ny vazo malaza tsy afaka am-bavan’ny tanora amin’ izao fotoana ary hanana ny toerany mihitsy amin’ity faran’ ny taona ity izany. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Ethnika Analakely i Rim-Ka, rahampitso zoma 2 desambra, manomboka amin’ny 9 ora […]
Kitra – OPL : hifandona ny CFFA sy Jet Kintana FC
Hiady ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Jet Kintana FC Itasy. Lalao tafiditra amin’ny andro fahatelo ny fifaninam-pirenena taranja baolina kitra eto an-toerana, diviziona voalohany na “OPL”. Fihaonana hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahitsy, amin’ny alahady 04 desambra. Raha hiverenana ny andro faharoa izy ireo, […]





