Fiaraha-monina

Cité universitaire R+1, Ankatso II : nasiana lavadrano hampiasain’ny mpianatra

Iray volana taorian’ny fifam­piresahana tamin’ireo mpianatra mahakasika ny olan’ny rano sy ny jiro eny amin’ny Cité universitaire R+1 Ankatso II, nitondra vahaolana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Napetraka ny faran’ny herinandro teo, teny an-toerana, ny vato fototry ny lavadrano (forage) ho an’ny Cité […]

Antananarivo Renivohitra : nijery ny fanadiovana lakandrano ny PDS Ramanantsoa Harilala

Nidina ifotony teny Anosibe ny PDS Ramanantsoa Harilala, omaly, nijery ny fanadiovana lakandrano. Teo koa ny fanatrehany ny fanolorana fitaovana ho an’ny mpamonjy voina… Nambarany fa natao hanamaivana ny olan’ny mponina amin’ny fiakaran’ny rano ny fanadiovana ny lakandrano tahaka izao. Nanentana ny rehetra koa izy mba hanaja ny fahadiovana. Nanombohana […]

INDRAY MIJERY

Nitokana ny tohodrano sy ny lakandrano mirefy 2 800m teny amin’ny fokontany Maharidaza, kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe ny governoran’Ana­lamanga. Entina hanatsarana ny lemaka Maharidaza izany. Ho afaka mamokatra indroa isan-taona ny tantsaha satria tanimbary 300 ha no hotondrahina. Ho fitsinjovana ny mponina eny Sabotsy Name­hana, eo amin’ny fandoavana ny volan’ny Jirama, […]

FIRST Global Challenge 2024 : nomen’ny Telma fanomezana ny ekipa malagasy

Noharahabaina tetsy amin’ ny Campus Telma Andraharo, omaly, ireo ekipa nandray anjara sy tafakatra tamin’ny fifaninanana manasa-dalana “First Global Challenge 2024”. Fifaninanana “Robotika”, nam­pivondrona tanora manerana izao tontolo izao, natao tany Athènes. Notoloran’ny Telma fanomezana toy ny finday sy lelavola mitentina 1 000 000 Ariary izy ireo. Marihina fa nandrombaka ny medaly […]