Fiaraha-monina

Minisitry ny Mponina sy ny firaisankina: Nanolotra fanampiana ho an’ny sokajin’olona maro ao Toamasina

Feno ny fitsidiham-paritra voalohany nataon’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, tao Toamasina, ny herinandro lasa teo. Nitondrany ny anjara birikiny avokoa rehefa zavatra maharary ny vahoaka. Nanolotra fitaovana ho an’ireo olona manana fahasembanana, nahitana tehina sy seza misy kodiarana ary karazan-tsakafo maro, izy. Nitohy tao amin’ny […]

INFP Ivato : Narenina ireo “atelier de mécanique”

Notanterahina omaly, tao amin’ny INPF Ivato, ny lanonana ofisialy fanolorana ny asa fanarenana sy fampitaovana ireo atelier de mécanique ao an-toerana. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny mpiara-miombon’antoka (FCE) izany. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Dr Andriamampandry Todisoa […]

Sampam-piofanana ingénierie minière : Hanamarika ny faha-50 taona nijoroany

50 taona nanofanana tanora ho lasa injeniera momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny sampam-piofanana ingénierie minière eny amin’ny Sekoly ambony politeknika. Hanamarika ny faha-50 taona nijoroany ny sam­pam-piofanana ingénierie minière ao amin’ny Sekoly ambony politeknika Anta­nanarivo, amin’ity taony ity. Hanomboka ny 24 avrily ho avy izao, ary hifarana ny […]

INDRAY MIJERY

Mandray anjara amin’ny Tsapiky festival ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony, amin’ny alalan’ny oniversiten’i Toliara. Hisy «Conférences scientifiques” hanehoana ny voka-pikarohana momba ny Tsapiky sy ny maha harembakoka iraisam-pirenena tsy azo tsapain-tanana azy. Hiarahana amin’ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Toliara izany. Hanao diabe ara-kolontsaina koa ireo mpianatry ny Oniversiten’i Toliara […]

Dépôt de médicament: Nohamafisina ny traikefan’ireo mpitantana

Ho fanatsarana hatrany ny tolotra eny amin’ireo toeram-pivarotam-panafody na ny dépôt de médicament, nomena fiofanana, izay iarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoka, ireo mpitantana. «Manodidina ny 1 400 ireo toeram-pivarotam-panafody manerana ny Nosy, mamaly ny filan’ireo mpanjifa, indrindra any ambanivohitra sy amin’ireo toerana tsy ahitana farmasia», araka ny fanazavan’ny filohan’ny vondrona mpivaro-panafody […]