Fiaraha-monina

Hetsika eny Analakely : tandrovina ny fahadiovan’ny sakafo

Hisy hetsika hanamarihina ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny fahadiovan’ny sakafo atao eo amin’ny Parvis Analakely, ny zoma ho avy izao, araka ny fanambaran’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN). Tranoheva maro no handray ny mpitsidika mandritra ny tontolo andro, ahitana fampirantiana ny akora azo atao sakafo miaraka amin’ny torohevitra […]

INDRAY MIJERY

Ny fandalovana rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy no mamaritra ny toetry ny andro anio sy rahampitso. Hahazo vahana miandalana ny tsiokan’ny varatraza manomboka ny alarobia. Tombanana hisy alondrano avy any atsimo hipaka any amin’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy, anio sy rahampitso, eo ane­lanelan’Itampolo sy Vohipeno ka hahery ny ranomasina. Isan-taona, mikaraka ny […]

“First Global Challenge 2024” : mpianatra dimy mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

ONG mampiroborobo ny fanabeazana mifototra amin’ny Stem ny Stem for Good ary manomana ny tanora ahazo sehatra amin’ny fifaninana iraisam-pirenena. Efa misy fikambanana Stem club izay hanamafisana ny fahaiza-manao. Tanora mpianatra dimy mianadahy avy eto Anta­nanarivo no voasafidy hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny robotique “First Global […]

Oniversiten’Antsiranana: nahazo trano fonenana manara-penitra ny mpianatra

Nankasitraka ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny mpianatry ny oniversiten’ Antsira­nana tamin’ny fahavitan’ny trano fonenana ho azy ireo. Natao ho fanampiana ny efa misy ao an-toerana izany. Trano misy rihana iray, R+1, mirefy 993 m2, ahitana efitrano 80, ary mahazaka mpianatra 160 ny fotodrafitrasa. Misy toerana natokana handrahoana ihany koa. Mitovy […]

Dio Sera: Manampy amin’ ny fanadiovana

Anisan’ny nahazo famatsiana ara-bola, amin’ny alalan’ ny tetikasa « Rano Maharitra sy Dio Sera » ny faritr’i Toamasina. Mitentina 10 tapitrisa dolara izany, izay entina miasa mandritra ny dimy taona. « Tena ilaina ny famatsiana toy izao ho fanatsarana ny lafiny fahadiovana sy fidiovana, mba hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka », hoy ny ben’ ny Tanànan’i […]