Fiaraha-monina

«Jalsa Salana 2024» : niombom-bavaka ny mpino silamo Ahmadiyya

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny mpino silamo Ahmadiyya Andavamamba, ny fihaonambe isan-taona faha-18 na ny «Jalsa Salana» 2024. Naha­ri­tra telo andro ny fihaonana. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ireo mpino silamo Ahmadiyya rehetra, narahina fampianarana sy fanamafisana hatrany ny firahalahiana. Araka ny fanazavan’ny misionera, Ahmed Mudassir, ny rafitry ny Jalsa […]

Département du Vendée : nitsidika teny Fieferamanga

Nihaona tamin’ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, ny delegasionina avy amin’ny Département du Vendée Frantsa, izay notarihin’ny filohan’ny filankevitra, Alain Leboeuf. Niara-nijery vahaolana ho fampivoarana ny maha olona amin’ny alalan’ny fihariana, sehatry ny fiompiana sy fambolena mitondra amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny roa tonta. Niara-nitsidika ny ivontoerana natao handraisana ireo olona […]

Nifin’Akanga : hiarovana ny ain-dehibe ny fampitsaharana vohoka ara-medikaly

Manohy ny adisisika handaniana ny lalàna mahakasika ny fampitsaharana vohoka tsy mahafaty ny Nifin’Akanga. Fiarovana ny ain’ny renim-pianakaviana sy isorohana ny fanalan-jaza antsokosoko mitera-doza izany. Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena mom­ba ny zo hisitraka ny fampitsaharana vohoka tsy mahafaty ny Nifin’Akanga, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Soarano. Samy nanamarika ny hetsika […]

Herinandro maneran-tany ho an’ny marenina : nanomezan-danja ny zo amin’ ny teny tanana

Nankalaza ny Herinandro maneran-tany ho an’ny marenina, izay nanomboka ny 23 hatramin’ny 29 septambra, ny Akanin’ny Marenina 67 ha, omaly. Lohahevitra nanamarihana izany ny “Mirotsaka ho amin’ny zo amin’ny teny tanana”. Manodidina ny 2 hetsy ny isan’ny marenina eto Mada­ga­sikara, raha ny antontanisa nivoaka farany. Eto Anta­na­na­rivo ny 20 000 […]

Andron’ny InTra : Iorenan’ny asa eto Madagasikara

Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny fankalazana ny andron’ny Institut national du travail (InTra). Hetsika voalohany notontosaina teto Madagasikara, niaraha-niasa tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Mifototra amin’ny fanohanana ireo orinasa manodidina ny 100, sokajy samihafa, eto amin’ny Nosy, ny hetsika ataon’izy ireo amin’ny ankapobeny. Tanjona ny hampiroboroana […]