Notontosaina teny amin’ny distrika 20, anatin’ ny faritra 12, ny fanadihadiana nasionaly mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana (PF), ny vohoka tsy niriana ary ny fikarakarana ny fahasarotana noho ny fanalan-jaza eny anivon’ny hopitaly. Natomboka ny volana desambra 2024 ka hatramin’ny desambra 2025 ny fanadihadiana ka nahazoana fijoroana vavolombelona avy amin’ny […]
Fiaraha-monina
Fahasalamana : 50 taona niara-niasa i Madagasikara sy i Chine
Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana teto Madagasikara ny sinoa, tao anatin’ny 50 taona. Tolotra ara-pahasalamana sy fizarana traikefa ary fanampiana ara-pitaovana ny endrika nisehoan’izany. Manamarika ny faha-50 taonan’ny fiarahan’i Madagasikara sy Chine nisehatra tamin’ny fahasalamana isika izao. Nanolotra fitaovana ho an’ny hopitaly Anosiala, araka izany, ny hopitaly […]
Terak’Imady Ambohipo : Nahaliana an’Antananarivo ny Savika
Nahaliana ny mponina teto Antananarivo ny hetsika ara-kolontsaina Betsileo, Savika, nokarakarain’ny terak’Imady Ambohipo na fikambanana Fitia. Tetsy Mahatsinjo, kaominina Alasora, distrika Avaradrano, no nanatanterahina izany. Nanafatra mpisavika manokana avy any amin’ny faritany niaviany dia ny Betsileo ireo mpikarakara nanomezana aina tsara io kolontsaina io. Tao koa ireo zanaky ny faritra […]
Voka-pikarohana Life plan: Nahitana bibikely sy zavamaniry tsy mbola voarakitra
Nampahafantarina omaly, teny Fiadanana, ny tatitry ny valim-pikarohana Life plan, natao nandritra ny dimy taona, teto amintsika eny anivon’ny faritr’ala 30. Napetraka tamin’ireo toerana ireo ny fandrika fijerena ny karazam-biby any anaty ala, misy ny fandrika feo, ny sary ary ny fandrika bibikely. Nangonina ireo antontan-kevitra azo nandritra ny dimy […]
Firarazana Ankazobe : Nanokatra sekoly vaovao ny Fondation Axian
Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny EPP vaovao namboarin’ny Fondation Axian ao Firarazana Ankazobe. Any anatin’ny faritra anaovana fanarenana ala efa ho roapolo taona izay tantanin’i Alterra no misy io sekoly io. Tafiditra ao anatin’ny ezaka lehibe ho fampandrosoana ny faritra izy io, hampifandray ny fiarovana ny tontolo iainana sy […]




