Fiaraha-monina

Faritra Vakinankaratra: hitadiavam-bahaolana ny olan’ny tany

“Asa maika indrindra, hitadiavam-bahaolana ny olana ara-tany sy ny famariparitan’olona ny tanim-panjakana eto Antsirabe”, hoy ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra mpisolo toerana, Ravaonirina Nathalie Sebastienne, nandritra ny fandraisany ny andraikitra vaovao tao Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Hanao izay tratry ny heriny koa izy, raha ny nambarany, ho amin’ny fampandrosoana ny […]

Aretina ongobe, bilarziozy, sakoitra: nizarana fanafody maimaimpoana ny ankizy

Mitohy ny asa ho an’ny fa­hasalamam-bahoaka. Vita soa aman-tsara ny fanaovam-baksiny faobe ho an’ireo zatovovavy hisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy vaksiny ho an’ny zaza hisorohana ny fiparitahan’ny kitrotro. Mitodika manokana amin’ ny zaza (5-14 taona) indray ny fizarana fanafody misoroka amin’ny bilarziozy. Mahazo ny anjarany koa ny zaza mihoatra […]

Foara Torolalana ho an’ny tanora: fampahafantarana ny fiofanana teknika sy fanofanana arakasa

Tanterahina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, amin’izao fotoana izao, ny Foara Torolalana ho an’ny tanora. Samy mahazo tombony ny mpianatra sy ny toeram-pampianarana. Nanomboka omaly, hifarana anio, ny hetsika Foara To­rolalana ho an’ ny tanora. Tan­terahina etsy amin’ny Kianja Barea ny hetsika. Ahitana tranoheva 20, misy ny ivontoeram-panofanana tantanin’ny fanjakana […]

Tondradrano: fampitandremana mavo ho an’Analamanga

Ny tsiokan’ny talio, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny toetry ny andro saika manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, ato anatin’ny roa andro. Noho izany, hahazo vahana ny oram-baratra. Vinavinaina hanatombo hatrany ny rotsakorana any amin’ny afovoany andrefana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Tombanana hiitatra ho an’ny afovoantany izany, ny fiandohan’ny […]

Fihotsahan’ny tany: trano 450 tandindonin-doza noho ny rotsakorana

Raha ny tombana avy amin’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, mbola hitohy ny ro­tsakorana eto Antananarivo. Nidina ifotony ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza momba ny fihotsahan’ny tany eny amin’ ny vohitr’i Manjakamiadana, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra […]