Haharitra roa taona ny tetikasa Hope (fanantenana), izay finiavana nentin’ny Henka Suru, mitondra any amin’ny fiovan’ny toe-tsaina. Vehivavy 300 mahery nisitraka ny fifampizarana avy amin’ny tetikasa. Nanolotra ny mariky ny fahavitan’ny asa voalohany ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Notoloran’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady reny mpiahy certificat ireo vehivavy nisitraka ny fifampizarana […]
Fiaraha-monina
Rio Tinto QMM : nizara kit scolaire tany amin’ ny faritra Anôsy
Anisan’ny nanampy betsaka ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy, ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny Rio Tinto QMM. Tamin’ny alalan’ny fizarana fitaovam-pianarana. Nifarana afakomaly ny fizarana fitaovam-pianarana nataon’ny Rio Tinto QMM, tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy. Nisitraka izany ireo mpianatra 11 258 ao anatin’io distrika […]
Sora-piankohonana : miofana ny mpiandraikitra
Tao Tsiroanomandidy, renivohitry ny faritra Bongolava, no nanokafana ny fampiofanana ho an’ny sampandraharahan’ny fiankohonana, ahitana ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana sy ny mpitantsoratra. Nanomboka ny 17 septambra 2024 teo izany ary hifarana ny 17 oktobra 2024. Faritra dimy, Analamanga, Bongolava, Itasy, Sofia ary Vakinankaratra no hisitraka izany fiofanana izany, eny anivon’ireo […]
Efa avy nanafika… : mandrahona ny mbola hiverina ireo jiolahy
Trangana fanafihan-jiolahy roa no indray niseho tao Toamasina, ny 16 septambra teo. Ny iray naharobana vola 16 tapitrisa Ar, raha omaly indray ny faharoa tao Tanamako parisela 12/14, nahaverezana vola 5 hetsy Ar. Teny an-dalana hamonjy fodiana rehefa avy nivarotra ilay raim-pianakaviana no nifanehatra tamin’ ireo olon-dratsy. Nitatitra entana teo […]
INDRAY MIJERY
Nanamafy ny filohan’ny Repoblika nandritra ny filankevitry ny minisitra fa hisy fanaraha-maso akaiky ny fizarana ny Caisse école sy ny Caisse de soutien ary ny fizarana sakafo any an-dakilasy. Mba hipaka any aminny sekoly sy ny mpianatra ireo tohana avy amin’ny fanjakana ireo ho an’ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy no […]