Nosokafana omaly, teny amin’ny Zaridaina Anosy, ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-79 taona ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Nitarika ny lanonana teny an-toerana ny tale mpiahy ny mpiady tia tanindrazana sady mpitarika ny komity teknika mpanomana ny hetsika, notarihin’ny Jly Randrianantenaina Emilson. « Tanjona amin’ity hetsi-pahatsiarovana ity ny hamelona indray ny afon’ny fitiavan-tanindrazana […]
Fiaraha-monina
Orange solidarité : Vehivavy 109 nahazo mari-piofanana
10 taona ny hetsika fanohanana ny fizakan-tenan’ny vehivavy miaraka amin’ny orinasa Orange, amin’ny alalan’ny fikambanana Orange solidarité Madagascar. Maro ny fandaharanasa mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy sy ny zatovovavy ahafahany mivelatra ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nisy ny famoahana ireo vehivavy manana fahasembanana nahavita fiofanana teny anivon’ny Maisons digitale d’Analamanga, eny […]
INDRAY MIJERY
Tonga tao amin’ny LTP Toamasina ireo solontena avy amin’ny BNGRC nanatitra fanampiana ho an’ny mpiasa rehetra eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Atsinanana eto Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani izao. Nandray izany ny talem-paritry ny Fampianarana teknika […]
Tambajotra Sega-One Health : Hampivondrona mpikaroka manampahaizana
Mikarakara fihaonana isam-paritra ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) amin’ny alalan’ny tambajotra Sega – One Health, ny 30 sy 31 marsa izao, ao amin’ny Institut Français de Maurice. Natokana ho an’ny fomba fiasa “Fahasalamana tokana” na One Health izy ity. Hanasongadina ny fifampiankinan’ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana […]
Filatex : Namboly zana-kazo honko tany Mahajanga
Mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny vondron’orinasa Filatex. Anisan’izany ny fambolen-kazo toy ny nataony any Boanamary, Mahajanga. Tanjona ny hanarenana ny rohivoahary sady hanohanana ny velontenan’ny mponina eny ifotony. Mivelona amin’ny ala honko rahateo izy ireo, izay toeram-ponenan’ny hazandrano, fototry ny jono. Araka izany, nahatratra 40 000 ny […]




