Mitohy ny tohana ataon’ny fikambanana na rafitra ho fanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany amin’ny faritra Atsinanana. Nanolotra taratasim-bola mitentina 200 000 dolara, hanampiana ireo traboina niharan’ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Andrainarivo. Nanamafy ny tale jeneralin’ny BNGRC, […]
Fiaraha-monina
Fahasalaman’ny reny sy ny zaza: Fototry ny ankohonana mirindra
Mandritra ny 4 andro ny atrikasa fifanakalozan-kevitra handinihina ireo paikady mikendry ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny tanora, hatao eto Antananarivo. Dinihina amin’izany ny fanamafisana ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tokantrano sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiainan’ny ankohonana […]
Ho an’ny fanjarian-tsakafo : Manohana ONG roa ny masoivoho japoney
Nanao sonia fifanarahana fanomezana fanampiana ho an’ny ONG japonais roa, AMDA‑Minds sy Save the Children Japan, ny masoivohon’i Japon miasa eto amintsika, i Tojima Hitoshi, tamin’ity herinandro ity, teny Ivandry. Ho fanomezana tohana hanatanterahana tetikasa roa hositrahin’ny vahoaka malagasy avy amin’ny fanjakana japoney izany. Asa iandraiketan’ny ONG Save the Children […]
Fanamarihana ny 29 marsa: Nasehon’ny komity ny sary famantarana
Nampahafantarina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe, ny sary famantarana sy ny teny filamatra amin’izao faha-79 taona ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifo niady ho an’ny Tanindrazana izao. Misy ireo komity mpanomana ny hetsika ary efa eo am-piketrehana izany izy ireo. Miompana amin’ny hoe “Tolom-panafahana: Fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana” no tara-kevitra […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fanohanana ny vahoakan’i Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Ankoatra ny fizarana sakafo tsy misy fiatoana, efa niverina ny fizarana lelavola sy ny asa atakalo vola amin’izao fotoana izao. Araka ny masontsivana apetrak’ireo mpamatsy vola, laharam-pahamehana ireo zokiolona marefo, sembana ara-batana, ireo olona manana aretina, ireo tokantena, ireo mitaiza […]




