Mitohy ny fampahafantarana ny fehin-dalàna vaovao momba ny asa hanamorana ny fampiharana azy eo anivon’ ny minisitera mpiahy sy ireo orinasa mpiara-miombona antoka amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny tontolon’ny asa manerana ny Nosy. Nizara fiofanana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Association malgache des directeurs des ressources humaines d’entreprises tamin’ty herinandro […]
Fiaraha-monina
Governoran’Anôsy : nanara-maso ny tetikasa RNT12A
Nidina mivantana nanara-maso ny fizotran’ny fanamboaran-dalana, RNT 12A, mampitohy an’i Taolagnaro amin’i Ebakika, ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakotovelomanantsoa Voahary. Niaraka tamin’ireo teknisianina mpiara-miasa aminy ary ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Asa vaventy izy tamin’izany. Nifanakalo hevitra tamin’ny lehiben’ny tetikasa PACFC (Projet d’aménagement de corridors et de facilitation du commerce) izy […]
Fiatrehana ny rivodoza sy ny voka-dratsiny : manao fanazaran-tena ny BNGRC sy ny mpisehatra
Tanterahina omaly sy anio, ny fizarana sy fiomanana ataon’ny BNGRC sy ny mpisehatra rehetra hiatrehina ny fotoam-pahavaratra 2024-2025. Antananarivo sy Toamasina ny toerana nofidiana hanatontosana ny asa. Vao mifarana ny taom-pahavaratra dia miomana amin’ny taom-pahavaratra manaraka ny BNGRC sy ny ekipany. “Ny rivodoza no voina mpiseho matetika sy isan-taona eto […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanomboka omaly, ary haharitra hatramin’ny alahady 22 septambra izao, eny amin’ny Complexe sportif Vontovorona ny fiofanana ho an’ireo mpitsara amin’ny baolina kitra lalaovina anaty efitrano (futsal). Mitarika izany i Said Nourri, manam-pahaizana avy amin’ny Fifa. Miisa 30 mianadahy ireo mpiofana ka misy ny avy any amin’ny faritra. Tsara fanombohana ny […]
INDRAY MIJERY
Mampiasa ny fitaovana misy eo am-pelatanana ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fitaterana ireo fako. Anisan’izany ireo “camions multibennes” avy amin’ny governemanta japoney. Enim-bolana taorian’ny nampiasana azy voalohany dia efa nahavita halavirana 40 000Km. Hita taratra amin’izany ny halehiben’ny asa izay sahanina noho ny habetsaky ny fako eto an-dRenivohitra. Taorian’ny haintrano […]