Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy teo ny trano vaovao eo anivon’ny kolejy Jules Verne, Antsirabe. Nambaran’ny tomponandraikitra mpitantana fa natao ity «Pôle culturel et sportif» ity mba hanatsarana ny fiainan’ny mpianatra sy hanampy azy ireo ho amin’ny fanatsarana ny fianarany. «Toerana manan-danja eo amin’ny fiainana ara-kolontsaina sy fanabeazana eto […]
Fiaraha-monina
VMTAA sy ny Fami : Nisitraka famatsiam-bola
Nanolotra fanohanana ireo tetikasan’ny vehivavy misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra Ambaniandrefana, Vakinankaratra, ny fitondram-panjakana. Natao afakomaly, teny Ambohitsirohitra, izany, notarihin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël. Nambarany fa hametrahana politika hanohanana ara-bola ireo tetikasa entin’ny tanora sy ny fikambanana miasa ho fanatsarana ny faripiainan’ny vahoaka. Nisitraka 20 tapitrisa Ar ho fanohanana ny fampiroboroboana ny […]
Fiofanana zaitra : Namoaka ny andiany “Lafatra” ny WMG
Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy Ambatoroka, ireo 14 mianadahy, izay nahitana lahy tokana. Nanaraka fiofanana momba ny tontolon’ny zaitra, nandritra ny telo volana teo anivon’ny atelier tantanin’ny Wednesday Morning Group (WMG) izy ireo. “Nampitondraina ny anarana Lafatra ny andiany navoaka. Niavaka ito andiany ito satria tsy niofana momba ny tontolon’ny zaitra […]
INDRAY MIJERY
Namaly ny antson’ny firenena malagasy ny governemanta Indianina. Nanome fanampiana milanja 30 taonina, ahitana lay, sakafo, lamba firakotra… izy ireo. Ny faritra Atsinanana no hisitraka izany voalohany. Hahazo ny anjarany koa ireo traboina vokatry ny rivodoza Fytia amin’ireo fanampiana mbola hanampy ny efa tonga. Ny BNGRC no mandrindra ny fanampiana […]
Fomba fiaina tsara : Miantoka ny antsasaky ny fitsaboana
Efa miantoka sahady ny fitsaboana tokony hatao ny fananana fomba fiaina sy fahazarana tsara ara-pahasalamana raha ny toromariky ny dokotera. Avy hatrany dia manampy ny olona iray hisoroka ny aretina maro ny fananana izany fahazarana izany. Manampy ny vatana hahazo hery sy hiaro tena amin’ny aretina samihafa izany. Isan’andro, sakafo […]




