Dingana lehibe, fanamby, teo amin’ireo Malagasy dokotera manam-pahaizana ny fandresena tamin’ny fandidiana natao tamin’ ireo zaza kambana niraikitra, Tahinjanahary sy Fanambinantsoa. Dokotera manam-pahaizana manokana miisa 22 mianadahy no nifarimbona tamin’ny fandidiana ireo kambana niraikitra, ny herinandro teo, tao amin’ny CHU HJRA. Nanano sarotra ny fandidiana satria ny fanasarahana ny hazondamosina […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Hisy ny hetsika fandidiana maimaimpoana ataon’ny CHU Andohatapenaka, ho fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly, ny volana septambra ho avy izao. Hanomboka anio ny fizahana mialoha hahafahana manatanteraka izany. Iarahana amin’ireo vahiny avy any Turquie, mpitsabo, ny fandidiana ny aretin’ny sofina, ny orona, ny nify ary ny aty vava. Manomana hetsika […]
Fihaonambe kongresy Eokaristika nasionaly : miara-miasa ny mpikarakara sy ny fanjakana
Hotanterahina any Antsiranana, ny 20 – 25 aogositra 2024 izao, ny fihaonamben’ny kongresy Eokaristika nasionaly sy ny Afafi-Fet. Ho avy hanatrika izany ireo tanora maherin’ny 15 000, avy amin’ny diosezy 22, manerana ny Nosy. Efa milamina hatrany amin’ny 95% ny fiomanana sy fandraisana ireo mpizaika rehetra any an-toerana, amin’izao fotoana izao, […]
TETIKASA MAHARO: 49 tapitrisa dolara niasana
Nentina nanatsara ny vokatry ny fanjarian-tsakafo tany amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana ny tetikasa Maharo, izay tohanan’ny governemanta amerikanina. Ho fiahiana manokana ireo vondrom-piarahamonina marefo amin’ireo faritra niasana nandritra ny 5 taona ny famatsiam-bola avy amin’ny USAID Madagascar. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fanjarian-tsakafo ity tetikasa ity, noho ny […]
Politeknika Vontovorona : hampiakarina ny tanjaky ny internet
Nilamina ny raharaha eny Vontovorona rehefa nihaona ny andaniny roa. Nanome toky hanao ezaka ny fanjakana amin’ny fantsarana ireo fotodrafitrasan’ny mpianatra. Efa nanomboka nahazo vatsim-pianarana ireo mpianatra. Nifanatona ny fanjakana sy ny mpianatra eny amin’ny politekika Vontovorona nandamin-draharaha ny faran’ny herinandro teo. Milamina amin’ny ampahany ny savorovoro eny amin’ity sampan’ny […]