Hotanterahina manerana ny tobim-pahasalamana rehetra sy ny sekoly, manerana ny Nosy, ny 8 hatramin’ny 12 desambra izao, ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Ireo ankizivavy 9 ka hatramin’ny 14 taona no entanina hanao izany. Maimaimpoana ny fisitrahana izany. Tokony hampirisika ny zanany vavy ireo ray aman-dreny hanao […]
Fiaraha-monina
Fianarana manjaitra: Namoaka ny andiany «Soa» ny Wednesday Morning Group
Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy Ambatoroka, ireo mpianatra 15 isa niofana momba ny zaitra eo anivon’ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG). Nampitondraina ny anarana hoe: «Soa», ity andiany ity. Nianatra ny tontolon’ny zaitra sy ny fanaovana asa tanana Crochet nandritra ny telo volana izy ireo. “Tanjon’ny fampiofanana ny hahafahan’ireo vehivavy hanana […]
INDRAY MIJERY
Hatry ny omaly, mihatra amin’ny lemak’ Antananarivo ny filazana loza manambana, miloko mavo, amin’ny faritra lalovan’ny reniranon’i Sisaony. Voakasik’izany ny kaominina 17 manamorona an’io renirano io. Tafakatra 1,60 m ny haavon’ny rano eo amin’ny maridrefin’Andramasina. 2,66m kosa izany eo Ampitatafika. Mamono olona manodidina ny 350 000 isan-taona ny homamiadan’ny vozon’ny […]
Fivezivezena amin’ny taxi-be: Hampiasaina ny «Karatra mena» hitsinjovana ny manana fahasembanana
Natao omaly, tetsy Anosy, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo kaoperativa mpitatitra eto Antananarivo momba ny fampiasana ny Karatra mena handrindrana ny fivezivezen’ireo olona manana fahasembanana. Ny Karatra mena manomboka izao no mariky ny fandrindrana ny fivezivezen’ireo olona manana fahasembanana, izay efa fantatry ny polisy monisipaly sy ny […]
Fampianarana ambony: Raikitra ny opération Fosika
Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fiandohan’ny hetsika « Fosika” eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Io no sehatra fanabeazana sy fanadiovana, ahafahana mitoroka ireo diplaoma sandoka, endrika kolikoly amin’ny fandraisana mpiasa, fanokafana lalam-piofanana tsy ara-dalàna, sy ireo trangana herisetra eny anivon’ny Anjerimanontolo. Hampiharina avy hatrany ny sazy […]




